Mpisolovava iray, maître Ialy no niharan’ny vono tambabe nataona lehilahy telo niaraka tamin’ny basy tamin’io fotoana io. Rehefa nahavita ny anjarany tamin’ny fanaovana ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana isan’ambaratonga dia omaly no niakatra Fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha.
Roalahy tompon’antoka tamin’ilay habibiana ihany no nohenoina teo anoloan’ny fitsarana tamin’io fotoana io raha mbola karohina kosa ilay fanintelony hatreto. Araka ny didy navoakan’ny fitsarana dia nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy ireo.
Tsy takona afenina ary niarahan’ny rehetra nahita tao anatin’ny horonantsary niparitaka tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny fihetsika feno herisetra nataon’izy ireo tamin’ity mpisolovava ity. Ity farany dia anisany nametraka fitoriana manoloana io fandratrana nihatra taminy io. Nanamafy izay fitoriany izay ihany koa ny teo anivon’ny Holafitry ny mpisolovava ary narahin’izy ireo fihetsiketsehana nanoloana ny lapan’ny Fitsarana mihitsy izany afak’omaly.
Nanohina ny rehetra ary niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy tambajotra iny zava-nitranga iny. Araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny zandarmariam-pirenena dia efa azo avokoa ny mombamomba ilay fanintelony tafatsoaka. Andrandrain’ny rehetra ny tena hanomezana sazy henjana ireo tompon’antoka tamin’iny zava-mitranga iny mba ho anatra ho an’ny sisa izay mihevitra ho manana sombim-pahefana ka mihevitra ny tenany ho tsy maty manota eto amin’ny firenena.
Avotra Isaorana