Webradio

ADY AMIN’NY TSY FISIAN-DRANO FARITRA ITAOSY : Nahazo fandrahonana ny mpitarika fitokonana

Efa am-bolana maro no nisedra olana goavana vokatry ny tsy fisian-drano ny eny amin’ny  manodidina an’ Itaosy  Faritra Atsimondrano iny. Nitroatra ny mponina satria tsy zaka intsony  ny fahasahiranana. 5 décembre 2018

Mahatratra herinandro ny fahatapahana ary raha mandeha aza dia maloto, ireo ny fitarainana voaray matetika teny an-toerana   ary misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina izany saingy tsy misy ny vahaolana maharitra. Miezaka ny mametraka  fitarainana ny ankabeazan’ny mponina , indrindra fa ny teny Ambohidrapeto. 

Ho fanairana ny eo anivon’ny jirama anefa dia niezaka nanatanteraka hetsika ny mponina teny an-toerana ny  sabotsy 1 desambra  kanefa dia voalaza fa   nahazo fandrahonana ny mpitarika, hany ka tsy tanteraka indray ny hetaheta saika hangatahana. Raha tsiahivina kely dia efa nisy hetsika nataon’izy ireo ny 17 novambra lasa teo  saingy mbola tsy nahitam-bokany. Izany no nahatonga azy ireo saika hanamafy ny fihetsiketsehana kanefa dia efa mahazo fandrahonana sahady. Mahatsiaro iharan’ny tsindry hazolena no sady miaina ao anaty fijaliana  ireto farany. Raha ny fanampim-panazavan’ ireo mponina hatrany dia   tsy hanaiky fotsiny ny fandrarana izy ireo fa  miandry vahaolana avy amin’ny tompon’andraikitra hatreto.

Izay vao mody mikoropaka ny ministry ny angovo

 Eo anatrehan’ity tranga eny amin’ny Faritra Atsimondrano ity dia mbola tsy re mihitsy   hatramin’izay ny ministry ny angovo  Rasolo-herison Lantoniaina  fa  hitady vahaolana mahakasika ny famatsian-drano. Rehefa milaza ny hitroatra anefa ny vahoaka ny faran’ny herinandro lasa teo izay vao namoaka fanambaràna ny tenany fa “hanatsara sy hitady vahaolana momba izany ato ho ato”. Miandry izany fatratra hatreto ny mponin’Itaosy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés