Manao sesilany ny fandrobana mitam-piadiana izay miitatra hatrany amin’ny fakana an-keriny mahazo laka amin’izao fotoana, izay fitaovana fakàna vola an-tapitrisany ataon’ireo tambazotrana jiolahy. Manginy fotsiny ny aina nafoy sy maratra ary faheverezana fananana noho ny fanjakazakana ataon’ireo olon-dratsy. Azo lazaina hatreto fa ny Faritra Menabe no tena lasibatra indrindra amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara raha tamin’ity taona ity no asian-teny. Manoloana izany indrindra dia nanatanteraka hetsika goavana natao hiadiana sy hiaroavana ny mponina ireo tompon’ andraikitra mivondrona ao amin’ny « ONG Fanamby ».
Amin’ny alalan’ny fandefasana mpitandro filaminana mahatratra hatrany amin’ny 80 lahy hampandry tany no nanehoan’izy ireo ny fahavononany hanafoana ny asan-dahalo. Ity vondrona ity avokoa no miantoka ny lany rehetra ary miara-miasa akaiky amin’ireto miaramila hanatanteraka ny fisafoana. Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana hatrany ary fa « nanomboka omaly no niatrika hetsika voalohany ireto mpitandro filaminana ireto ka tsy hifarana izany raha tsy tapitra ny folo andro ». Zavatra maro loko be dia be no hataon’ireto savahao any amin’iny faritra iny, isany hanatratrarana tanjona lehibe ny fanafoanana tanteraka ny asan-dahalo mahery vaika, miampy ny fanaovana « kidnapping » manao sesilany ankehitriny.
Mahavelom-bolo ny fokonolona ny fandraisan’andraikitra ohatran’izao ary manantena sahady izy ireo fa hisy vokany goavana ny fandraisana andraikitra. Miaina ao anaty tebiteby fatratra loatra mantsy ny mponina ka ilaina dia ilaina ny fijerevana ifotony ny zavatra tahaka izao mba hitadiavam-bahaolana . Arahina akaiky araka izany ny fizotran’ny asan’ireo mpampandry tany any amin’ity faritra ity .
Tatianà R.