Webradio

FANAMBOARANA NY TETEZAN’I SAMBIRANO : Tapaka mandritra ny ora 5 isan’andro ny fifamoivoizana

Eo anatrehan’ny fanamboarana  lalana pk 467 lalam-pirenena fahaenina, eo amin’ny tetezan’i Sambirano mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana dia tsy maintsy nandray fepetra hentitra ireo tompon’ andraikitra misahana izany.  6 décembre 2018

Tapaka tamin’ izany ary fa tsy maintsy voatery manapaka  fifamoivoizana izy ireo isanandro noho ny fanamboarana tsy azo ialana. Dimy ora isan’andro  ny fahatapahana ka manomboka amin’ny sivy ora maraina hatramin’ny  roa ora tolakandro. Ny talata 4 desambra lasa teo  no nanomboka izany ka mandritra ny fotoana tsy voafetra aloha hatreto. Manentana ny  mpivezivezy  mpampiasa lalana   araka izany  ny tompon’andraikitra mba  hanaja ny fandaminana. 

Mbola tsy misy aloha ny familian-dalana ahafahana mandeha lalan-kafa saingy mbola eo am-pikarohana vahaolana ny tompon’andraikitra  amin’izao fotoana izao. Izao no natao tsinona dia ny mba hitsinjovana ny vahoaka   amin’ny fijaliana vokatrin’ny fahasimban-dalana mampikaikaika ny rehetra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés