Webradio

FIKAMBANANA « F2MF » : Manohana tsy misy fepetra ny kandida Andry Rajoelina

Manohana tsy misy fepetra ny filoha mpanorina ny IEM «  Initiative pour l’Emergence de Madagascar  » ny F2MF na ny «  Fikambanan’ny Malagasy Miaro ny fampandrosoana  ».  6 décembre 2018

Io no nisongadina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony tetsy Antsakaviro omaly Alarobia 05 Desambra 2018. Ny F2MF dia fikambanana miantsehatra eo amin’ny fampandrosoana maro lafy ary misandrahaka manerana ny lafivalon’ny Nosy.  Ahitana solontenan’ireo sehatr’asa rehetra misy eto Madagasikara ao amin’ny fikambanana ary ireo foko valo ambin’ny folo manerana ny nosy dia voasolo tena ao avokoa. 

Isan’ny hita ao ohatra ny solontenan’ireo mpandraharaha ara-toekarena, ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra  na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpiompy sy mpamboly ary ireo manam-pahaizana maro samihafa toy ny dokotera, ny injeniera ary ireo mpiasam-panjakana izay liana amin’ny fampandrosoana. Tamin’ny taona 2014 tany ho any no niorenany ary asa sôsialy maro no efa nataony nandritra izay efa-taona niforonany izay. 

Ankoatra izay dia mikendry ny hisian’ny vina sy fanamby ary ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana ihany koa ny fikambanana. Nambaran’ny filoha nasiônalin’ny F2MF Rakotoniaina Rolland Dominique na Joby Luxe nandritra ny valandresaka izay nataony fa «  ny fikambanana dia vonona hifanome tanana amin’ny filoha mpanorina ny IEM Andry Nirina Rajoelina noho ny fahatsapana fa misongadina ao amin’ny velirano telo ambin’ny folo izay napetrak’ ity farany ny tena fampandrosoana miatraika mivantana amin’ny vahoaka malagasy, azo tsapain-tanana, voarefy sy feno.  » 

Tsy azo lavina tokoa fa fototry ny fampandrosoana ny fandriampahalemana na eny ambanivohitra izany na eny an-tanàn-dehibe. 

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés