Webradio

POLITIKA

ADY HEVITRA HO ENY IAVOLOHA : Matotra sy nirindra ny fandaharan-dRajoelina, lainga sy hevi-dravina no nasetrin-dRavalomanana

Hita ho kepoka tanteraka Ravalomanana Marc nandritra ny ady hevitra «  ho eny Iavoloha  » izay nifanandrinany tamin’ny filoha mpanorina ny IEM na «  initiative pour l’emergence de Madagascar.  »  10 décembre 2018

Notontosaina tamin’ny alahady 09 Desambra 2018 lasa teo tao amin’ny haino aman-jery sy ny fahitalavi-panjakana (RNM sy TVM)  ny fandaharana manokana izay nifanandrinan’ny Kandidà Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Iny ady hevitra tamin’ny alahady teo iny no ady hevitra voalohany ary amin’ny Alahady 16 Desambra 2018 ho avy izao kosa ny ady hevitra faharoa ifanaovan’ny kandida roa tonta  izay tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa  hotontosaina amin’ny 19 Novambra 2018 ho avy izao. 

Ny Ceni na ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana no nikarakara ny ady hevitra ary ny Rnm sy ny Tvm no mampita izany mivantana.
Ny raharaha pôlitika niainana teto Madagasikara tamin’ny 10 taona lasa no nanombohan’ireo mpanentana ny fandaharana ny ady hevitra tamin’izany ary notohizana tamin’ny fanazavana ny vinan’asan’ireo kandida roa tonta eo amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy ny ady  amin’ny asan-dahalo, ny fanatsarana ny sôsialim-bahoaka, ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra ilain’ny vahoaka, ny fitantanana ny sy fampiasana ny harem-pirenena, ary ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Ady hevitra manana ny lanjany sy tsy azo tsinontsinoavina araka izany iny ady hevitra izay nifanaovan’ny Kandida roa tonta iny ary vinavinain’ireo mpandalina pôlitika ho mety hanova tanteraka ny fon’ireo olom-pirenena mbola nisalasala hitongilana tanteraka any amin’ny Kandida laharana faha-13.

Nisongadina ary tsy azo lavina ny fahaizan’ny Kandida laharana faha-13 namaly tamim-pahamendrehana ireo fanontaniana rehetra natao taminy. Tsapa sy hita taratra ny maha tanora «  manana vina  » sy «  mahay mijery lavitra  » an’ ity farany na teo amin’ny fomba fanehoan-kevitra izany na teo amin’ny amin’ ny fanolorana ireo vina izay heverina fa mendrika ho an’ny firenena ary mifanaraka amin’ny toetr’andro. Ho an’ny ady amin’ny asan-dahalo ohatra dia niavaka ny vina izay natolotry ny filoha mpanorina ny IEM na «  Initiative pour l’emergence de Madagascar  » Andry Rajoelina tamin’ny filazany fa ilaina eo amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy ny fiadiana amin’ny asan-dahalo ny fampiasana teknôlôjia vaovao toy ny « Drône  » sy Angidimby ary ny fanavaozana ireo fitaovana ampiasain’ny mpitandro ny filaminana. 

Nanamafy izy nandritra ny ady hevitra fa na dia tsy nisy famatsiam-bola aza tamin’ny fotoana nitantanany ny tetezamita dia nahavidy angidimby telo izy nentina nanampiana ireo mpitandro ny filaminana nanafoanana ny asan-dahalo izay nampikaikaika ny Malagasy tamin’izany.

Fomba ratsin-dRavalo

Nanamboatra fotodrafitrasa fototra maro ilain’ny vahoaka mivantana no nahamaika azy indrindra nandritra ny fotoana nitondrany ny tetezamita raha toa ka nampiroborobo ny orinasany kosa no laharam-pahamehan’ny mpifanandrina taminy nandritra ny fotoana nitondrany ny firenena ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009. Maro tsy tambo isaina ny zava-bitan’i Andry Rajoelina tamin’izany raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny Hopitaly manara-penitra, ny trano mora maro dia maro, ny Kianja manara-penitra ary ankoatra ireo dia mbola nitsinjo ny sôsialim-bahoaka hatrany izy tamin’ny alalan’ny «  Tsena mora  ». 

Nabaribariny ny fomba ratsin-dRavaloma-nana tamin’ny fampibabena trosa lava ny firenena ary tsy niolaka izy namaky batsilana fa «  tsy mendrika ny Malagasy intsony ny mandohalika mangataka amin’ireo fianakaviam-be iraisam-pirenena isaky ny mihetsika  » satria tany manan-karena i Madagasika ary afaka mahavita tena eo amin’ny lafiny maro raha tsara tantana ny harem-pirenena. Noho ireo «  rijan-kevitra tsara petraka  » sy noho ireo «  vina mahataka-tadavitra  » natosaky ny filohan’ny mpanorina ny IEM ireo dia valy bontana sy lainga sisa no nafafin-d Ravalomanana  Marc rehefa tsy hitany intsony izay hirika azo amelesana ny «  vina iem  » natolotry ny Kandida laharana faha-13. 

Nahatsapa tena ho resy tanteraka sy tsy nanan-kalahatra mihitsy ny Kandida Ravalomanana nandritra ity ady hevitra ity ka any anaty tambajotran-tserasera sisa no miezaka mafy mamafy lainga sy manabantibanty ny mpifanandrina taminy. Na inona anefa lazaina, hafa ny tanora manana vina vonona hanavotra tanteraka ny Malagasy ary tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny Malagasy raha ampitahaina amin’ny olona izay tsy mivoy afa-tsy fankahalana sy tsy sasatra mitsikera ary mpangorona ho an’ny tenany manokana.

Ra-Jem

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés