Webradio

FITONDRANA JADON-DRAVALOMANANA : Efa ho 580 Miliara fmg ny hetra tsy voaloan’ny orinasa Tiko

Nihevitra ny Malagasy maro an’isa tamin’izany fotoana fa tena hitsinjo ny vahoaka madinika tokoa ingahy Ravalomanana Marc raha tonga eo amin’ny fitondrana.  10 décembre 2018

Nantenaina fa tsy mba hangalatra satria olona noheverina fa tena nanana ny maha izy azy. Solafaka anefa ny vahoaka Malagasy ka tafalatsaka tanteraka tao anatin’ny fahadisoam-panantenana lalina.

Ny tena nahamaika an-dRavalomanana ho lasa filoham-pirenena dia ho an’ny tombontsoany manokana sy hampiroborobo ny orinasany manokana fa tsy mba hitsinjo ny vahoaka. Tany am-piandohana tsy nanana afa-tsy ny orinasa Tiko ny tenany kanefa vao tonga tsy ela eo amin’ny fitondrana azy dia naniry ohatry ny anana ireo orinasany manerana ny Nosy. Manginy fotsiny ny fanamparam-pahefana sy ny jadona izay tena nahafantarana izany filoha Ravalomanana Marc izany. Nahatsapa io loza mitatao io ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka tamin’ny taona 2001, ka niroso tamin’ny fitsirihina ny resaka fandoavan-ketran’ny orinasa Tiko izay fananana madiodion-dRavalomanana. 

Nitombona tokoa ny ahiahy satria  voaporofo fa tsy nandoa hetra mitentina hatrany amin’ny 330 miliara fmg io orinasan-dRavalomanana io tamin’izany fotoana izany. Nandritra ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2002 anefa dia nomen’i Norbert Lala Ratsirahonana, praiminisitra tamin’izany fotoana izany fanamaivanan-ketra ny orinasa Tiko. Miliara an-jatony maro no nofafana tamin’izany. Talohan’izay anefa, izany hoe tamin’ny 30 novambra 1982 dia efa nohelohin’ny Fitsarana Malagasy enim-bolana an-tranomaizina miaraka amin’ny sazy mihantona ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Araka ny Fitsarana laharana 230RP/88/TSE/130 dia ny fanaovana kolikoly avo lenta no nampidirana am-ponja vonjimaika azy tamin’ izany.

Orinasa tsy miankina maro no nopotehiny

Fehiny, tsy nanana vahoaka nanohana azy hahatongavany teo amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy ingahy Ravalomanana. Ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna marobe nataony no nahatonga azy tampoka tamin’io toerana io. Marobe ny orinasa potika tsy tafarina intsony nandritra ny fito taona nitondran-dRavalomanana. Ny fitiavan-tena sy ny fikatsahana ny tombontsoa manokana no anton’ izany rehetra izany. Orinasa tsy miankina marobe no potika sy nanjavona nandritra ny fotoam-pitondrany. Anisan’ireo potika tao anatin’izany, ohatra , ny orinasa mpamokatra taratasy Papmad. Ity farany izay tsy tafarina intsony hatramin’izao.  Isan’ireo nizaka ny mafy ihany koa ny orinasa Kobama (koba Malagasy) an’ingahy Edgard Razafindravahy.

Nopotehan-dRavalomanana ary nalainy tahaka tao amin’ny orinasany avokoa ny vokatra vokarin’ireny orinasa marobe ireny. Raha hiverenana kely ny tamin’ny taona 2001, mba fantatry ny vahoaka Malagasy ve fa tamin’ny fotoana naha praiminisitra lefitra an’ingahy Pierrot Rajaonarivelo dia tsy nandoa hetra izay mitentina 250 miliara fmg ny orinasa Tiko. Nanjaka tanteraka ny jadona tamin’ny andro nitondran-dRavalomanana. Nofeheziny daholo ny seha-pihariana rehetra ary tsy nisy navelany ho lasa lavitra ireo orinasa mba te hisondrotra rehetra.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés