Webradio

TRANGA

SAMBAVA : Vehivavy iray maty notapahin-doha, tsy hita popoka ny vadiny

An-taonany maro izao no  tsikaritra fa lasa  mahasahy mandatsak’aina ny  olona ankehitriny ary indrindra fa ady eo amin’ny mpivady no tena  maro amin’ny tranga niseho tato ho ato.  11 décembre 2018

Matetika dia  ny vehivavy hatrany no lasibatra amin’ny  fikasihan-tanana sy vono  amin’ny fomba mahatsiravina. Voahitsakitsaka sy tsy hita intsony ny zo amin’ny maha vehivavy  rehefa sendra ny olona biby fisainana. Toy ny zava-niseho  tao Ambodiazomamy,  kaominina Morafeno Distrikan’i Sambava  ny faran’ny herinandro lasa teo iny  dia renim-pianakaviana iray manodidina ny  27 taona eo ho eo no  nindaosin’ny fahafatesana, notapahin-doha. 

Ireo mponina  mpifanolo-bodirindrina  tafafoha maraina no nahita ilay ramatoa nitsirara tamin’ny tany sy tapaka vozona   tao amin’ny trano fonenany. Nandriaka ny ra ary  nahitana mangana sy dian’antsy marobe ny vatany.  Akory ny hatairan’ny  fokonolona rehefa tsy nahita  ilay rangahy vadiny tao an-tranony intsony. Tsy hita popoka ralehilahy antsoina hoe Jean Edino hatramin’izao, izay voalaza fa nahavanona   namono ny vady andefimandriny. 

Efa manaporofo  sahady ihany koa  izao fa ady teo amin’ny roa tonta no niavian’ny habibiana tsy roa aman-tany tahaka izao. Eo am-pelatanan’ny zandarimaria Sambava ny   fanatanterahana ny fikarohana  itsy farany hatreto.  Hatramin’ny ora nanoratanay ny lahatsoratra omaly tolakandro aloha dia mbola tsy hita io lehilahy io. Arahina akaiky ny tohin’ny  famotorana lalina ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao  fotoana izao  ka mangataka fiaraha-miasa akaiky amin’ny fokonolona izy ireo  ny amin’ny fanomezana  vaovao marim-pototra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés