Webradio

VONDRONA SODIAT : Notanterahina tetsy amin’ny PK00 ny “fetim-pirahalahiana”

Mpirahalahy mianala ny ekipa rehetra ao amin’ny «  Vondrona Sodiat  » sy ny «  Madarail  ».  13 décembre 2018

Toy ny fanao isan-taona dia notontosaina omaly alakamisy 13 Desambra 2018 ny «  Fetim-pirahalahiana  » teo amin’ny roa tonta ka tao amin’ny lapan’ny lalamby PK00 no nanaovana izany. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ary nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ity lanonana ity ny vady andefimandrin’ny PDG Mamy Ravatomanga, izay mpitantana sy mpamorona ny  “Vondrona Sodiat  ». 

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nirariany soa ho an’ireo mpiasa rehetra ato amin’ny «  vondrona Sodiat  » sy nilazany fa hahazo fitsinjovana manokana ny mpiasa rehetra amin’izao volana mamaran-taona sy ankatoky ny fety izao. Ankoatra izay dia nanentana ny rehetra hifidy izay olona mendrika hitondra ny firenena ihany koa izy ary niantso ny rehetra handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay avy, indrindra amin’izao herinandro mialoha ny fifidianana izao.

Talohan’ny lahatenin-dRamatoa vady andefimandrin’ny PDG Mamy Ravatomanga io dia nandray fitenenana ny solontenan’ny mpiasa rehetra tato amin’ny «  Vondrona Sodiat  » ary nisaotra manokana  ny filoha mpanorina ny «  Vondrona Sodiat  » tamin’ny ezaka rehetra nataony ka nahafahan’ny orinasa niasa ara-dalàna sy nanome asa ho an’ny mpiasa rehetra ao anatin’ity «  Vondrona  » manana ny maha izy azy ity.

Kilalao maro samihafa toy ny Baskety, karatra, fanorona, zomba sy ireo maro hafa no nentina nanamarihana ity fety ity ary ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fifaninanana tamin’ireo karazan-dalao mifanaraka amin’ny fahaiza-manaon’ny tsirairay avy. Tsara ny manamarika fa ny «  Vondrona Sodiat  » dia efa 28 taona niforonana ary ny Madarail dia efa maherin’ny 100 taona no nisiany.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés