Webradio

KICKBOXING TOAMASINA : Namoy an’i Maitre Maeva Kalo Soanary, vehivavy mpilalao kalaza

Nopaohin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-35 taonany ny marainan’ny zoma 4 janoary ka namela kamboty i Maître Maeva Kalo Soanary, izay manana ny tempana mainty dingana faharoa ary vehivavy voalohany avy ao Atsinanana nandrombaka ny tompondakan’ i Madagasikara voalohany teo amin’ izany taranja kickboxing izany ny taona 2007 tao Antananarivo.  7 janvier 2019

Ny taona 2000 no efa nanomboka nikatroka tamin’ ity taranja kickboxing ity i Maitre Maeva Kalo Soanary. Tao amin’ny kilioba Scorpion no nanombohany. Izy  rahateo no vehivavy voalohany nandray anjara tamin’ ity haiady somary henjakenjana ity raha ny tao Toamasina. Tsy nampihemotra azy ny hamaroan’ ireo lehilahy izay miady aminy mandritra ny fanazaran-tena noho ny tsy fisian’ny vehivavy hanao izany aminy. Ny taona 2012 taorian’ny fiofanana nataony ho mpanazatra dia nisafidy ny ho mpitsara ady ihany koa i Maeva Soanary.

Mirongatra ny tazo mahery

Raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny fianakaviany dia tazo mahery no nahafaty azy. Tazo mahery izay mirongatra mafy ao Toamasina amin’ izao fotoana izao. Nandritra ny fiaretan-tory tao an-tokantranon’ny ray aman-dreniny tao Ankirihiry-Avaratra dia lasa resaben’ny fokonolona ny fahanginan’ny fitondram-panjakana ao Toamasina manoloana ny firongatry ny valanaretina maro samihafa  : tazo, kitrotro, fivalanana. Ny tanàna rahateo maloto, ny fako mivangongo...

Momba ny aretina kitrotro manokana, dia mbola manodidina ny 50 isan’andro ireo zaza manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’ankizy ao amin’ny Hopitaly Be. Tsy misy fandraisan’andraikitra mankadiry raisin’ny fanjakana. Ny fifanampina eo amin’ny samy vahoaka amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody sy kojakoja avy amin’ireo orinasa sy olona malala-tanana no tena ahafahan’ny ao amin’ny hopitaly mihetsika mifehy ny valanaretina kitrotro. Misy amin’ireo fanafody ilaina amin’ny fitsaboana no tsy misy intsony ao amin’ny farmasia hopitalim-panjakana ao Toamasina.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés