Webradio

ORINASA OUEST SUCRE AMBILOBE : Siramamy 61 714 taonina no niakatra tamin’ ny taom-pamokarana 2018

Araka ny fantatra nandritra ny lanonana famaranana ny taom-pamokarana 2018 Siramamy Ambilobe ny faran’ny taona teo dia nahatratra 61 714 taonina ny vokatra siramamy ary  400 000 litatra ny alikaola na Rhum izay novokarin’ny orinasa Ouest Sucre. 9 janvier 2019

Araka ny fanazavana  voaray tamin’ny teknisiana tao an-toerana fa ireo vokatra ireo dia avy tamin’ ny fary milanja 522 000 taonina izay voahodina tao amin’ny ozinina.
Araka ny voalaza hatrany dia ny 139 000 taonina tamin’izany dia  ireo fary voaray tamin’ireo mpamboly ivelan’ny orinasa, fa ny 383 000 Taonina kosa indray dia fary novolena avy tamin’ ny orinasa ihany.

Araka ny fanazavana voaray tamin’ny teknisiana hatrany dia  nihena raha nampitahana ny tamin’ny taona 2017 ireo vokatra ireo,  noho ny fisian’ny  tondra-drano be loatra tamin’ny  fotoam-pahavaratra nandritra ny taona 2018.
Raha izany fihenana izany ihany koa no asiana resaka dia tsy vitsy ihany koa ireo mpamboly no tsy nazoto namboly fary noho ny antony maro samihafa raha tsy hilaza afa-tsy ny olana amin’ny fandanjana izay tsy mifanaraka amin’izay eritreretin’ireo mpamboly azy, ka miteraka fatiantoka ho an’ireo mpamboly. 

Manoloana izany resaka fandanjana mampiahiahy hita ao amin’ny orinasa izany dia mitaky ny mba hisian’ny fanaraha-maso mahakasika izany ireo mpamboly mba hisian’ny fiakarana amin’ny vokatra fary izay nahitana fihenany ihany koa. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny mpamboly fary sasantsasany dia aleon’izy ireo mijanona tsy hamboly fary intsony raha ny mizana niainana hatramin’ izay ihany no ampiasaina. Manaitra ny tompon’andraikitra voakasika mba hanara-maso ny fitaovana ampiasaina ao amin’ity orinasa ity ireo mpamboly.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés