Webradio

TOBY RATSIMANDRAVA : Ora maro no nihainoana an’i Rolly Mercia, Fidèle Razarapiera ary Mbola Rajaonah

Omaly maraina no nampanantsoina teny amin’ny toby Ratsimandrava etsy Andrefan’Ambohijanahary ireo voalaza ho tompon’ antoka amin’ny fanakorontanana ny filaminana anatiny teto amin’ny firenena. 9 janvier 2019

Ny telo tamin’ireo fito nomena ny fampiantsoana ihany no tonga namaly ny antso teny an-toerana omaly. Nohenoin’ny sampan-draharaha misahana ny famotorana eny amin’ny toby Ratsimandrava tao anatin’ ny adim-pamantaranandro maromaro i Rolly Mercia, Fidèle Razarapiera ary i Mbola Rajaonah. Nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fanatanterahan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana tamin’izy ireo, ary voalaza fa niezaka nitondra ny fiarovan-tenany avy araka ny vesatra hiampangana azy ireo izy telo mirahalahy ireto. 

Ny teo anivon’ny Primatiora no nametraka fitoriana, raha tsiahivina, nandritra ireny raharaha nafampana teto amin’ny firenena ireny. Anisany hiampangana azy ireo ny fanohintohinana ny filaminana anatiny, fitaomana olona hidina an-dalam-be sy hikomy tamin’ny alalan’ny fanentanana tsy an-kijanona tao anaty onjam-peo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny mpanao fanadihadiana dia tsy nisy baiko avy amin’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna amin’ny fitazomana azy ireo. Raha vao vita ny fakàna am-bavany avy hatrany dia namonjy fodiana izy ireo. Mbola hitohy ny famotorana azy ireo ary mbola hisy fampiantsoana manaraka, araka ny vaovao voaray hatrany. 

Manoloana indrindra ireo nampanantsoina anefa tsy mety mipoitra mba ahafahana manao ny fanadihadiana dia nilaza hatrany ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina ho azy ireo izay mijanona ho tsiambaratelon’ireo mpitandro filaminana hatreto. Mapametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany ny zava-misy ankehitriny, nahoana no mbola nahazo fahafahana nody ihany izy ireo kanefa efa voalaza fa nanohintohina ny filaminam-bahoaka ? Tsikaritra fa rehefa raharaha maha voasaringotra an’I Mbola Rajaonah dia somary mitarazoka hatrany ary tsy hita mazava izay fiafarany toy ireny niseho teny amin’ny bianco ireny. Andrasana am-pilaminana izay mety ho tohin’ity raharaha ity.

Ny fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés