Webradio

LALANA EO ANJOMA : Miteraka fofona maimbo tsy zakan’ny mponina ny rano miangona lava

Mampiaka-peo amin’izao fotoana izao ireo mponina ao amin’ny fokontany Anjoma Toamasina.  10 janvier 2019

Tsentsina ny tatatra vokatry ny fanorenana tsy ara-dalàna. Vokany, mitohana ny rano. Na andro maina na avy orana, dia tsy misy fiovana. Efa mivadika ny lokon’ny rano. Mivadika maitso mamoaka fofona maimbo. Raha ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana, dia mpandraharaha mpanao fitaterana amin’ny fiarabe no tompon’ilay fanorenana tsy ara-dalàna eo ambony tatatra tokony handehanan’ny rano. Nanomboka ny taona 2007 ka hatramin’izao 2019 dia tsy mbola nialana rano mihitsy raha io lalana ao Anjoma io.

Ny mahagaga dia mitazam-potsiny ny avy eo anivon’ny Kaominina Toamasina ambonivohitra, hoy hatrany ny fanazavana. Manomboka mampiaka-peo ny vahoaka. Miantso ny kaominina izy ireo mba handray andraikitra. Tombontsoan’olon-tokana manelingelina ny fiainam-bahoaka iray manontolo. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina ao Anjoma izay nihaona tamin’ny mpanao gazety, dia tsy misy posy sy tuc-tuc avy handalo amin’ilay lalana intsony vokatr’izao zava-misy izao.
Mandrangaranga ny mponina fa raha tsy misy fandraisan’andraikitry ny Kaominina ao anatin’ny fotoana fohy, dia manambana hidina an-dalambe izy ireo.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés