Webradio

LISEA AO ANTSOHIHY : Tsy ampy efitrano fianarana ka misedra olana goavana ireo mpianatra afaka Bepc

Misedra olana goavana ireo mpianatra afaka Bepc, hanohy fianarana ao amin’ny lisea ao Antsohihy.  10 janvier 2019

Araka ny vaovao avy any an-toerana dia noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana eo anivon’ity sekoly ity dia voatery ferana ny isan’ireo mpianatra raisina hanohy fianarana ao. Ny fanazavan’ny tompon’ andraikitra voalohany ao amin’ny lisea Antsohihy, Ramatoa Tsiadivana Honorine no nahalalana fa manana fahazotoana ireo mpianatra ao amin’ity sekoly ity. 

Manao izay vitany amin’ny fampitana fahalalana ihany koa ny mpampianatra, fa olana lehibe sedrain’izy ireo ny  tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Tsy vitsy araka izany ireo tanora voatery mijanona tampoka amin’ny fianarana, satria tsy voaray ao amin’ny liseam-panjakana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana hanohizana ny fianarana any amin’ny sekoly tsy miankina.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana araka izany ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny olana misy ao amin’ity Lisea Antsohihy ity, fa betsaka ireo mpianatra maniry ny hianatra, kanefa voafetra ny isan’ireo mpianatra raisina ao noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés