Webradio

TAONA 2019 : Hohamafisina hatrany ny fanadiovana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Omaly 10 janoary no tontosa ny lanonam-be fifampiarahabana nahatratra ny taona 2019 niarahan’ny zandarimariam-pirenena  notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajony marobe, izay notanterahina teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Nakotroka ny lanonana ary samy niara-paly avokoa ny rehetra .  10 janvier 2019

Nisy ny fandraisam-pitenenana nanokafana ny lanonana izay notarihan’ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe. Nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny “ fitandroana hatrany  ny ady  amin’ny kolikoly  eo anivon’ny zandary  ary tsy mitsahatra ny miady amin’io tranga iray io ny ambaratonga rehetra ao”. Ezahina hatsaraina isan-taona ny fomba fiasa ary tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fanoherana  ny fampanjakana ny kolikoly amin’ity taona vaovao  vao manomboka ity.  

Mba ho taom-pahombiazana no tanjona ary ahazoana vokatra tsara hatrany. Raha ny tatitra voaray mahakasika ny  fitondran-tenan’ny zandarimaria sasantsasany nandika lalàna tamin’ iny taon-dasa iny dia  nisy ny fitarainana azo ka miisa 46 izany ary ny 30 amin’ireo  dia efa vita fitanana an-tsoratra avokoa. Ho hentitra sy hamafisina mandrakariva ny fanadiovana ny ao anatiny mba hatao fitaratra sy modely manoloana ny  vahoaka malagasy iray tanindrazana. 

Tokony tsy hadinoina fa noho ny firongatry ny fampanjakana ny kolikoly teto amintsika no fositra tsy mampandroso ny Firenena. Mila miray hina araka izany ny tsirairay mba hanamorana ny fanafoanana ity  tranga iray ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés