Webradio

ASAN-JIOLAHY TAO AMBANJA : Raim-pianakaviana iray maty voatifitra, lasa ny vola rehetra

Mirongatra ny asan-jiolahy ao an-tampon-tanànan’Ambanja sy ny manodidina, mihorohoro ny mponina ao an-toerana noho ny fandatsahan’aina ataon’ireo olon-dratsy.  10 janvier 2019

Araka ny loharanom-baovao voaray  avy any amin’ny Fokontanin’ Ankazotelo Kaominina Ankatafa dia jiolahy miisa efatra nitondra basy maherivaika  no tonga  nanafika tokan-trano iray ny talata alina lasa teo. Olona miisa telo tao amin’ny fianakaviana ihany no tao an-trano ka ny raim-pianakaviana no maty voatifitra teo amin’ny fony tamin’io fotoana io. Lasan’ny jiolahy ihany koa ny vola rehetra tao anaty vata , izay  tsy  mbola voafaritra ny fitambarany. 

Tafatsoaka ny vadin’ny maty izay niezaka nanavotra ny ainy ary rehefa vita koa ny asa ratsin’ireto mpandroba  dia nirifatra tsy hita popoka izy ireo hatramin’izao. Raha ny  fitantaran’ny fianakaviana niharan-doza dia  mpitam-bolana fikambanana antsoina hoe “Miray hina” ity rangahy namoy ny ainy. Miisa telopolo ny mpikambana ao anatiny izay tantanany ka mandoa vola  40.000 Ariary isam-bolana ny mpikambana. Rehefa tapitra ny taona dia zarain’ny mpikambana ny vola saingy indrisy izao voatafika izao ary namoy ny ainy mihitsy. 

Mampiahiahy   hatreto ny olona nahavanon-doza ary mbola tsy fantatra mazava  ny antony. Andrasana ny famotorana ilay vadiny raha toa ka mahatadidy ny endrik’ireo olon-dratsy. Eo am-panaovana ny famotorana lalina ny zava-nisy,ny eo anivon’ny zandary ao an-toerana amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés