Webradio

MARAIS-MASAY SY IVATO : Nahitana fatim-behivavy miisa roa ny alatsinainy maraina teo

Omaly alatsinainy  maraina avokoa no nahitana ny fatin’ireo vehivavy miisa roa, hita sary niparitaka  teny amin’ny  tambajotra sosialy “facebook”.  4 février 2019

 Raha ny loharanom-baovao  voaray  misimisy kokoa, ny  iray dia  tovovavy mbola vao tanora no hita natsingevan’ny  rano teny Marais-Masay. Ireo mpandeha tongotra nandeha vao maraina no nahatsikaritra azy voalohany, ary niantso  ireo olona teny amin’ny manodidina mba hizaha ny zava-misy. 

Nesorina tao anaty rano ny razana. Rehefa nosavana dia mbola hita teny aminy ny  finday fampiasany, niampy vola tany anaty paosiny. Somary nahitana  mangana anefa ny faritra teo amin’ny tendany raha ny filazan’ireo nahita maso ny razana ary ahiana  ho nisy namono araka izany  ity tovovavy ity, izay vao natsipy tao anaty rano. Eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana  moa ny fanohizana ny  famotorana momba ny raharaha ary efa  lasan’ny fianakaviana ny  razana.

Ny teny amin’ny  kaominina Ivato fokontany  Fitroafana  indray dia  renim-pianakaviana  somary nahazo taona  no hitan’ny mponina teny amin’ny  manodidina tsy nisy aina intsony. Samy tsy nisy nahafantatra izay tena nanjo azy mazava ny rehetra  ary tsy nisy nahalala izay fianakaviany rahateo koa. Raha ny  vinavina nolazain’ny mponina manoloana  ny zava-nitranga  fotsiny   dia mety  ho  hanoanana no nahafaty azy satria tsy mba nahitana ratra   na mangana akory  ny  tenany  iray manontolo.  Avy hatrany  dia nandray an-tanana ny raharaha ny tompon’andraikitra teny an-toerana io omaly io.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés