Webradio

ROVAN’I MANJAKAMIADANA : Miantso ireo rehetra manana tolo-kevitra ny Minisitry ny serasera sy ny kolotsaina

Miantso an’ireo olon-tsotra na fikambanana rehetra voakasika, manana tolo-kevitra na fanamarihana ara-tekinika, ara-pomba na ara-tantara mikasika ny asa fanarenana ny Rovan-Antananarivo, omaly ny minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina araka ny Programan’asa ankapoben’ny Fanjakana mifandraika indrindra amin’ny sehatry ny kolotsaina.  7 février 2019

Asaina am-panajana amin’izany, hoy ny minisitra ireo rehetra manana hetaheta mahakasika ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo  mba hanatona ao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, misy ny biraon’ny tale jeneralin’ny Kolotsaina ka entina amin’izany ny antontan-taratasy mamintina ny tolo-kevitra na fanamarihana avy amin’izay manana hetaheta rehetra. Ny daty hanaovana ity fanoloran-kevitra ity moa dia ny alatsinainy 11 febroary izao amin’ny valo ora maraina hatramin’ny alatsinainy 18 febroary amin’ny efatra ora hariva.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés