Webradio

DISTRIKAN’AMPANIHY : Voatifitry ny mpitandro filaminana ireo dahalo ikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy

Telo mirahalahy  iraitampo, manodidina ny 20 taona ka hatramin’ny 25 taona eo ho eo no voatifitry ny mpitandro filaminana tamin’ny 6 febroary alina  lasa teo.  7 février 2019

Mivelona amin’ny fanaovana asan-dahalo izy ireo. Araka ny fanadihadiana dia fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona no nahatratrarana an’ireto dahalo ireto tao an-tampon-tanànan i Ejeda. Olona tsara sitrapo no nanome  vaovao ny mpitandro filaminana mikasika azy ireo. Zavatra efa hita sy faheno matetika any amin’ny Faritra atsimo ny Nosy iny moa ny asan- dahalo.

Raha ireto tratra ireto kosa dia  tena  efa  fanta-daza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny distrikan’Ampanihy andrefana. Tena efa mampiteny ny moana ny ratsy ataon’izy ireo fa sady mangalatra no mamono olona ary mbola manolana zaza amam-behivavy ihany koa. Efa ho roa volana no nikarohana azy ireto dia iizao tratra izao ihany. Araka ny loharanom- baovao voaray hatrany  dia mpanakan- dalana ao amin’ny lalam- pirenena faha 10, izay mampitohy an’i Ejeda sy Ampanihy iny ireo dahalo voatifitra ireo. Natao teo  anoloan’ny biraon’ny kaominina ny fatin’izy telo mirahalahy ireo ambara- pahatonga ny havany. Omaly ihany, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro dia tonga teo ny fianakavian’izy ireo. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any an-toerana anefa dia nampihatra dina ny fokonolona izay natao mifanandrify amin’ny sazy tokony homena  ny havan’izy telo mirahalahy. 

Noho ny asa ratsy be loatra vitan’ireo dahalo ireo dia nitaky vola tamin’ny fianakaviana ny fokonolona izay vao afaka nitondra ny razana ireto farany. Betsaka ireo vahoaka tao an- toerana no nidera sy nankasitraka ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana noho ny fahatratraran’izy ireo ny mpanao ratsy.  Tsy vita hatreo fa mbola mitohy ny asan’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana tanteraka ny asan-dahalo any an-toerana.

Angella Maharitra

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés