Webradio

FANAMBOARANA NY KIANJA : Velom-panantenana ny tanora any Antsiranana

Raha tsy misy fiovana ho tonga any Antsiranana amin’ity herinandro ity ilay «  architecte  » hikarakara ny asa fanitarana sy fanatsarana ny kianja mitafo ao an-toerana.  12 février 2019

Mikasika ny kianja manara-penitra kosa dia hitohy ato ho ato ny asa fanamboarana azy  ary mety  hatomboka amin’ny fametrahana ny fefy. Marihina mantsy fa saika nanorenan’olona trano manodidina ny toerana misy an’ity kianja ity ary misy amin’izy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ambony.

Tsara ny manamarika fa natomboka tamin’ny andron’ny Tetezamita ny fanamboarana ity kianja manara-penitra ity saingy rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ingahy Hery Rajaonarimampianina dia tsy nitohizana ny asa noho ny antony politika mazava ho azy. Toetra tsy miendrika mpitondra ary lavitra ny izay dradrainy tamin’izy mbola nitondra mikasika ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. 80% ny asa fanamboarana an’ity kianja manara-penitra ity no efa  vita tamin’izay fa amin’izao fotoana izao maro ny zavatra simba. 

Tahaka ny eny amin’ny tany lava volo ireny ao anatin’ity kianja ity ankehitriny. Izany ve mba fitiavana tanora sy Tanin drazana  ? Na izany na tsy izany velom-panantenana ny tanora any Antsiranana taorian’ny fandalovan’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina tany an-toerana. Vinavinaina ho vita alohan’ny volana jona ny asa fanamboarana ny Kianja manara-penitra.

                          
A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés