Webradio

AMBATONDRAZAKA : Saron’ny polisy i Rastà, jiolahy mpanafika tao anaty tsena

Voasambotry ny polisim-pirenena i Rastà. Izy, izay iray tamin’ireo nanafika mpivarotra tao amin’ny tsenan’ Ambatondrazaka ny 9 febroary 2019 hariva lasa teo. Fanafihana izay naharatrana vehivavy iray.  14 février 2019

Fantatra araka ny nambaran’ny kaomisera divizionera Rabenilaosana lehiben’ny polisy Ambatondrazaka fa noho ny fanangonam-baovao nataon’izy ireo no nahafantarana ny trano fonenan’ity Rasta ity ka nahafahana nisambotra azy. Tafatsoaka nandositra kosa ny roa izay naman’ity voasambotra ity. Sarona tao an-tranon’i Rasta ireo fitaovana fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Anisan’izany ny fitaovana famakiana varavarana na fisokirana rindrina sy ny fianihana lavarangana niaraka tamin’ny rongony sy fitaovana maro hafa.

Raha tsiahivina, dia ny harivan’ny sabotsy 9 febroary 2019 no nisehoan’ny fanafihana. Nitondra basy ireo mpanafika ka olona iray no naratra voatifitr’izy ireo tamin’izany. Namaly ilay tovolahy mpivarotra ka fantatra fa naratra ny iray tamin’izy ireo. Niainga tamin’izay ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena ka nahavoasambotra ny iray tamin’izy ireo. 

Nambaran’ny avy eny anivon’ny polisim-pirenena fa ao anatin’ny fikarohana ireo naman’ity mpanafika ity izy ireo amin’izao fotoana izao. Manao ny ezaka rehetra izahay, hoy ny Lehiben’ny polisin’ Ambatondrazaka mba hamerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra-Mangoro. Misy ny antso avo ataon’ny polisy ao an-toerana amin’ny fiaraha-miasa rehetra amin’ny alalan’ny fanomezana vaovao mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Marihina fa tao amin’ny zanabohitra Antanambao fokontany Ambohimasina no nahatrarana an’i Rastà. Mpitatitra entan’ireo olona notafihina izy raha ny fanampim-baovao ary izy ihany koa no niketrika ny paikady rehetra nandritra io fanafihana ny 9 febroary tao amin’ny tsenan’Ambato io.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés