Webradio

FANENDAHANA ENY AMIN’NY FARITRA 67HA ATSIMO : Tovolahy iray maty voatsatok’antsy

Faritra mena  no  sady  efa betsaka ireo olona mody  hariva  lasibatra eny   67 ha Atsimo manodidina ny Cenam sy ireo  toerana  fiandrasana taxibe eo anoloan’ny Jirama sy paositra eny  an-toerana. Andian-jiolahy  efa mivondrona amin’ny tambajotra matanjaka mihitsy  ireo mpandrava ka antsy lavalela miampy sabatra ny fitaovana fampiasan’izy ireo. 14 février 2019

Na  andro antoandro aza ireo olon-dratsy dia mbola sahy manao ny asa ratsiny  ary tsy afa-bela no  sady  manaraka hatramin’ny ainy mihitsy  ireo izay tratra mody hariva raha sendra  ka mifanena amin’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia  voalaza fa olona miisa roa avy namboly hazo handeha hody indray  no voaendak’ireo  jiolahy miisa efatra raha  ny fitantaran’ilay naman’ity namoy ny ainy. Nitondra antsibe sy sabatra ireto farany  ary   tonga dia nandrahona ny hamono tsy misy hatak’andro raha toa ka tsy manome ireo  kitapo  teny ambozonan’izy ireo.  

Nibaradaka, nifona ary nandohalika   haingana ity namany izay tena  raiki-tahotra ka nanome tsy an-kisalasala ny kitapo teny aminy.  Ity  farany  nindaosin’ny fahafatesana kosa namaly  ireo olon-dratsy  ka tamin’izay fotoana izay no nahavoatsindron’antsy azy ka maty tsy tra-drano. Tafatsoaka   niaraka tamin’ny entana halatra moa ireo nahavanon-doza.

Marihana anefa fa  mbola vao 25 taona monja ity tovolahy ity ary anisan’ireo nanangana ny fikambanana “Malagasy  Youth Biodiversity Network” no tena nahafantaran’ny olona azy. Manoloana ity tranga ity  dia manao antso avo  amin’ny  fitondrana sy ny mpitandro filaminana ny havan’ny mana-manjo  mba hijery akaiky an’ireo  endrika fanendahana amin’ity Faritra tena  malaza ratsy eto an-drenivohitra  ity.   Faritra betsaka mpivezivezy  mantsy  no  maro rahateo koa no efa  naratra mafy sy namoy ny ainy, manginy  fotsiny ny fananana very.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés