Webradio

LALAO OLIMPIKA MOMBA NY FIKIRAKIRANA “ROBOT” : Dimy mianadahy no ho any Dobay

Ho fampirisihana ny tanora hifantoka kokoa amin’ny taranja siantifika na Stem (Sciences, Technique, Électronique, Mathématiques) dia nisy ny fifaninanana nifidianana tanora lahy sy vavy hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany mahakasika ny fikirakirana “robot”.  5 mars 2019

Tanora dimy mianadahy araka izany no voafantina hisolo tena ny firenena malagasy amin’ilay lalao olimpika robotika atao hoe “First Global Challenge”. Amin’ity taona 2019 ity dia any Dobay no voatondro hanatanterahana izany. Ny “First Global” dia karazam- pifaninanana andraisan’ny tanora lahy sy vavy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 18 taona anjara mahakasika ny fananganana “robot” azo ampiasaina amin’ny fanatsarana ny tontolo manodidina azy. 

Ny teknisianina avy ao amin’ny “Stem for God Madagascar” moa no niara-misalahy tamin’ny fanomanana ny asa nataon’ireto mpianatra ireto ary ity fikambanana ity ihany koa no nanampy tamin’ny fanomanana izany.

Taorian’ny fifantenana ireo manan-talenta amin’ity tontolo ity no nahavoafidy ireo mpianatra dimy mianadahy avy amin’ny Lisea sy Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana izay ahitana an-dry  : Ziona Albertson sy Harilanto Andrinirina Gonzalez samy mpianatra avy eny amin’ny Politeknika Vontovorona, Rasolomampionona Francia mpianatry ny Ispm, Rakotoniaina Kevin Aldo, mpianatra avy ao amin’ny ny Lisea André Resampa Antsirabe ary Razafindrainy Mialihanta Rivah, mpianatra ao amin’ny  Cntemad. Izy dimy mianadahy ireto araka izany no hisolo tena an’i Madagasikara any Dobay amin’ity lalao olimpika momba ny fikirakirana «  robot  » ity. 

Tsara marihina ihany koa anefa fa efa fanintelony amin’izao i Madagasikara no nandray anjara tamin’ity karazam-pifaninanana ity satria efa nisy Malagasy nahazo medaly alimo  teo alohan’izao andiany farany izao.


Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés