Webradio

FANKALAZANA NY 08 MARSA : Hifamotoana ao Mahajanga ireo solontenan’ny vehivavy

Ny alarobia 06 marsa  no hanomboka ho tonga eto Mahajanga ireo mpizaika hankalaza ny andron’ ny 08 marsa, izay handray ny lanonana ofisialy amin’ity taona ity. 5 mars 2019

 Ny 07 marsa amin’ny 05 ora maraina dia hisy ny famonoan’omby izay hatao ao amin’ny biraom-paritry ny mponina eto Boeny. Amin’io andron’ ny 07 marsa io koa no hanokafana ilay fampirantiana ireo vokatra rehetra mampiavaka ny faritra isany avy any aminy alalan’ny trano heva na ny "salon des savoir-faire", izay nampitondraina ny lohahevitra hoe " Manangy mahefa", izay hotarihin’ny  Minisitry ny Mponina, ka manoloana ny lapan’ny tanàna no hanaovana izany. Ny mitatao vovonana kosa dia hisy ny nofon-kena mitam-piavanana ka ao amin’ny biraom-paritry ny mponina etsy Mangarivotra Mahajanga no hira-hisakafo izy ireo.

Mandritra ireo fotoana ireo anefa dia mitohy ny fampirantiana ataon’ireo vehivavy amin’ireo karazam-bokatra mampiavaka ny Faritra niaviany avy ary ny tolakandro dia hanomboka miditra amin’ny fitsarana ny vokatra mendrika ho an’ny isam-paritra ny mpitsara 07 sy mpanara-maso telo hifehy izany.

Ny andron’ ny 08 marsa ivon’ny fankalazana kosa dia hisy ny diabe hamakivaky ny tanàna hianga eny aminy zaridaina Cayla, ary hifarana ao amin’ny kianja Rabemananjara Alexandre, izay toerana handray ny lanonana ofisialy, hotronon’i Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Kabary hifandimbiasan’ireo olo- manan-kaja sy fanentanana maro loko no handrafitra ny fandaharam- potoana amin’io tapany maraina io. 

Hitohy amin’ny sakafo arahin’ny loabary an-dasy hiarahan’ireo voaasa manokana amin’izany miaraka amin’ireo minisitra 12 mpikambana ao amin’ny governemanta ho tonga eto Mahajanga amin’io fotoana io, ka ao amin’ny Baobab tree no hanaovana izany. Ny tolakandro indray dia hisy ny dinika fifanankalozana eo amin’ny torohay sy ny anjara zon’ ny vehivavy, ka ny "vehivavy mandray andraikitra" no lohahevitra hovoaboasana amin’izany, hiarahana amin’ny vadin’ny Filohan’ny repoblika, izay atao ao amin’ny complexe sportive eto Mahajanga.

Hatreo ireo fandaharam-potoana ngeza indrindra hampiantranoan’i Mahajanga ity fankalazana ofisialy ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ity. Koa mbola hotaterina miandalana eto ny fizotran’ireo hetsika maro loko, mba hampiainana ireo vehivavy rehetra manerana ny Nosy izay tsy afaka manatrika ny fankalazana eto Mahajanga, noho ny antony samihafa. Raha ny loharanom-baovao voaray dia tsy hisy solonten’ny vehivavy  avy any amin’ny Faritra Sava sy Anosy hanatrika ity fotoan-dehibe ity, noho ny faharatsian’ny lalana.

Efa vita lamina ihany koa ny hitandroana ny filaminana ho an’ireo trano fandraisam-bahiny hiarovana ny vehivavy mpizaika ho tonga eto Mahajanga noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana, hoy  Rakotobe Yvonna Lucien, talem-paritry ny mponina sy ny fiahiana ny vehivavy vaovao eto Boeny, izay reniben’ity fampiantranoana ny fankalazana ofisialy atao eto ambonivohitry ny Faritr’i Boeny ity.


INVMGA

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés