Webradio

AMBATONDRAZAKA : Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra

Efa tena ao anatin’ny maitso ahitra tanteraka ny aty Alaotra amin’izao fotoana izao. 6 mars 2019

Ny volana marsa no voalazan’ny tantsaha fa isan’ny volana mafy indrindra amin’ny fiandohan’ny taona satria eo no ipetrahan’ny hoe  : “ny an-tanana lany ny an-tsaha mbola maitso”. Na izany aza dia hita fa efa betsaka no miroso amin’ny voly avotra ny rehetra hialana amin’ny fahasahiranana. 

Ankoatra io voly avotra io dia eo ihany koa ny seha-piompiana izay nohatsaraina ao Alaotra ho an’ireo mpiompy eny ambanivohitra. Anisany fiompiana izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fiompiana akoho amam-borona izay hoentina miavo-tena rehefa miditra maitso ahitra tahaka izao. 

Ny tena olana dia ny tsy fananam-bola fa raha ny zavatra vidiana dia hita ho midina avokoa ny vidiny eny an-tsena. Fantatra ihany koa fa isan’ny hoentin’ny olona miavotra ny sehatry ny jono izay hita ho tsara tamin’ity taona ity na ny endriky ny hazan-drano miakatra na ihany koa ny vokatra noho ny hetsika sy ny fampianarana napetraky ny avy eny anivon’ny foibem-paritry ny jono sy ny harena anaty rano tamin’ireo mpiantsehatra amin’izany.

Hariliva sy Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés