Webradio

TRANGA

NIFANILIHAN’IREO MANAMPAHEFANA NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA : Zazavavikely 5 taona mpirenireny eny 67ha nisy nanolana

Tranga nampalahelo  sy nampihetsi-po ny mponina teny  67ha  manodidina ny “Mada hotel” iny ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavikely  vao dimy taona monja, ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any.  13 mars 2019

Araka ny tatitra voaray tamin’ireo andian’olona nahita maso ny zava-niseho  teny  an-toerana dia  ireny  ankizikely  mpatory an-dalana  tsy  misy  mpiahy ireny no niharan’ny herisetra ity. VAraka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia simba tanteraka ny maha vehivavy azy  tamin’io fotoana io. Tovolahy  iray   tsy misy mahafantatra teny amin’ny manodidina  no  nisy  nahatsikaritra  ho nanao izany,  ka  rehefa vita ny nataony  dia lasa nandositra izy.  

Nitaraina ho naharary ilay zaza no sady  nitomany. Ny andro alina, tafatsoaka ny nahavanon-doza, ny  hany  vahaolana dia nanatona ny mpitandro filaminana izay akaiky azy ireo  nitondra ny raharaha, kanefa dia toa tsy nisy  nandray andraikitra akory fa samy nihainohaino ary nanilika  sy nilaza fa tsy anjara asan’izy ireo ny misahana izany, hany ka  vita ho azy teny fotsiny. Ity nahavanon-doza ihany koa votsotra ho azy teny rehefa vita ny tiany natao.

Tsy  manan-jo hokarakaraina ve ny zaza tsy misy  mpiahy toy  izao ?
 Betsaka ny mponina teny an-toerana  no sanganehana naneho ny  alahelony  noho ny tsy  firaharahan’ny mpitandro filaminana ny zava-nitranga. Noho ny  maha mpirenireny azy ve no  tsy andraisana andraikitra  ?  Izany hoe tsy  manan-jo  hokarakaraina sy harovana toy  ny vahoaka sy ny zana-bahoaka ve izy satria ny ray aman-dreny natao hiaro azy aza tsy hita ? Io ny fanontaniana mipetraka narahina hatezerana avy amin’ny rehetra.  Marihina anefa fa  mitondra takaitra ilay zaza ankehitriny, soa ihany aza fa ireo  teo amin’ny manodidina no   niray hina niahy sy  niantra ity zaza. 

Manao antso avo  amin’ny tompon’andraikitra  araka izany  mba handray andraikitra sy hanao  fanadihadiana ny raharaha tahaka izao. Lasibatry ny herisetra ny madinika raha toa ka tsy  asiam-bahaolana ny fitsinjovana  ireo  mahantra tsy manan-kialofana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés