Webradio

TOAMASINA : Kandidà sady filohan’ny fikambanana iray depiote iray nandrahona mpanao gazety

R.M. filohan’ny fikambanana iray ao Toamasina ary nirotsaka ho kandidà solombavambahoaka. Ny sabotsy 9 marsa, nisy sary navoakan’i R.M. tao anaty kaonty facebook-ny fa vita soa aman-tsara ny fametrahana taratasim-pilatsahan-kofidiana natao teo anivon’ny Ovec Toamasina I. 13 mars 2019

Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny Ovec, dia nilaza fa tsy mbola nametraka taratasim-pilatsahan-kofidiana izany mihitsy ilay milaza fa kandidà. Maro tsy feno ny antontan-taratasy nentiny ka naleonay nasaina nentiny niverina aloha, hoy hatrany ny fanazavana any amin’ny mpiandraikitra ao amin’ny Ovec Toamasina I. Navoakan’ilay mpanao gazety tao anaty tambajotra sosialy izany lainga sy famitaham-bahoaka nataon’ity mpanao politika iray ao Toamasina ity izany.

Ny andron’ny talata 12 marsa, teo am-panangonana vaovao teny amin’ny biraon’ny Ovec Toamasina I, dia tonga nivatravatra tamin’ ilay mpanao gazety nanao be fiavy sy nanao fandrahonana i R.M. Tsy nahatanty tratra tamin’ny marina izy. Vaovao marim-pototra avokoa mantsy no nivoaka momba azy.

Nampahatsiahy ireo lahatsoratra efa natao momba azy nivoaka an-gazety nataon’ilay mpanao gazety ity mpanao politika nilaza fa kandidà ho solombavambahoaka ity. Momba ny fakàna fako izay efa nivoaka vaovao fa misy tetikasa momba ny fakàna fako ao Toamasina ataony izay naharaisana fitarainana maro. Be tamin’ireo tokantrano no mitaraina fa ny vola lasany fa ny fako tsy afaka.

Nisy nahazo sary ilay fandrahonana nataony an’ilay mpanao gazety. Horonantsary izay efa miparitaka amin’ny tambajotra sosialy maro ao Toamasina ankehitriny. Izany ve no mba fihetsiky ataon’olona ho mpanao lalàna hisolovava an’i Toamasina, hoy ny fanehoan-kevitra ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. R.M, izay efa mpiara-miasa akaiky tamin’ny fitondrana Hvm ka tsy nahagaga loatra izao fihetsika izao. Ny talata 12 marsa lasa teo moa vao tena tonga nanatitra ny antontan-taratasiny feno i R.M.

Ino Vaovao

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés