Webradio

DISTRIKAN’AMBANJA : Trano lehibe iray may kila forehitra, fianakaviana miisa 6 no traboina

Nisavorovoro  vokatry ny afo nijoalajoala ny  iray tanàna tao amin’ny fokontanin’Ankatafahely Distrikan’Ambanja, omaly,  tokony  ho tamin’ny 12 ora antoandro.  13 mars 2019

Trano lehibe iray no   may kila forehitra, izay mbola tsy fantatra mazava  ny tena antony niavian’ny afo. Levon’ny afo  tsy nisy noraisina intsony  ny entana rehetra tao anatiny. Soa ihany aloha fa tsy  nisy  naratra na koa namoy ny ainy. Ireo fianakaviana miisa 6 nipetraka tao anatiny no lasa tsy manan-kialofana satria foana tampoka tao anatin’ny fotoana fohy ny  fananan’izy ireo. Ireo mpamonjy voina  tao an-toerana no niara-nifarimbona tamin’ny famonoana haingana ny afo. Mba tsy niitatra tamin’ny trano  hafa intsony  ny firehetana fa nalaky voafehy. 

Mangataka amin’ny tompon’andraikitra moa ireto farany mba hijery  akaiky  ireto  traboina ary koa  manainga mavesatra ireo malala-tanana  rahateo koa  fa horaisin’izy ireo an-tanan-droa  ny fanampiana ary efa misaotra sahady izay vonona ny amin’izany. Efa misokatra ny fanadihadiana momba ny   nahatonga ny firehetana hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés