Webradio

FIFIDIANANA DEPIOTE : Anio no tapitra ny famenoana ny antontan-taratasy rehetra

Anio amin’ny 05 ora hariva no tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ny Céni na ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana hamenoan’ireo Kandida ho solombavambahoaka ireo  antontan-taratasy tsy fenon’izy ireo mahakasika ny filatsahan-kofidiana.  13 mars 2019

Raha ny antontan’isa voaray farany avy amin’ny Céni dia mahatratra hatrany amin’ny 855 eo ho eo ireo Kandida solombavambahoaka nanatitra ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana teny amin’ny Ovec manerana ny Nosy.

Ny 340 tamin’ireo dia natolotry ny antoko politika avokoa raha toa ka nilatsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana ny 515 ambiny. Mpilatsa-kofidiana miisa 125 no efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Ovec mahakasika ny maha kandida azy, iray nolavina ary ny ambiny kosa dia mbola eo am-pandinihana ny antontan-taratasiny ny Ovec sy ny Céni. Omen’ny Céni taratasy fanamarinana ny maha kandida azy, ireo nahafeno fepetra afaka milatsa-kofidiana ary omeny taratasy manambara ny tsy fahafahany mirotsaka kosa ireo izay tsy nahafeno ny fepetra rehetra notakiana taminy.  

Mbola afaka mitory ireo nolavin’ny Ovec

Manana 48 ora aorian’ny nandavan’ny Ovec azy ireo kandida tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Ovec hametrahana fitoriana eny amin’ny Céni foibe ary manana iray andro kosa ny Céni handinihana sy hamaliana ny fitorian’ireo izay tsy nahazo fankatoavana. Raha toa ka tsy afa-po tamin’ny valin-tenin’ny Céni ny kandida nolavina dia mbola manana 48 ora indray izy ireo hampiakarana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na ny Hcc, iray andro aorian’ izay indray ny Hcc no mamaly ny hetahetan’ ireo mpirotsa-kofidiana nolavin’ny Ovec, ka tsy azo lavina intsony fa tsy maintsy ekena izay didy avoakan’ny HCC farany eo. 

Isan’ny nampiseho ny tanjany sy ny heriny tamin’ ity fifidianana ity ny vondron’antoko politika “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” satria dia mahatratra hatrany amin’ny 106 ireo kandida mpilatsaka hofidiana natolotr’izy ireo manerana ny Nosy. Amin’ny 19 marsa 2019 ho avy izao no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida isaky ny fari-pifidianana manerana ireo distrika 119 manerana ny nosy ny Céni ary amin’ny 22 marsa kosa no hotanterahina isaky ny rantsamangaikan’ny Céni eny amin’ny distrika ny antsapaka, hisarihana ny laharan’ny kandida ao anaty bileta tokana, hampiasainy mandritra ny fampielezan-kevitra izay hanomboka ny 06 mey hatramin’ny 25 mey 2019.


Mbola afaka misoratra anarana ireo tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana

Raha ny toromarika navoakan’ny Céni foibe hatrany dia mbola azo atao ihany koa amin’izao ny mandray ireo rehetra tsy mbola voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Mbola mitohy toy izany koa ny fanitsiana sy fanamarinana ireo diso mombamomba ny tena na koa tsy ampy ao anatin’ilay lisi-pifidianana izay nalefan’ny Céni eny anivon’ny Fokontany. Ity lisi-pifidianana izay ahitsy amin’izao fotoana izao ity no hampiasaina manomboka ny 19 mey 2019 hatramin’ny 19 mey 2020.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés