Webradio

BORIBORITANY FAHADIMY : Tafapetraka ny antontan-taratasin-dRaharijaona Jean François

Tafapetraka soa aman-tsara tamin’ny 12 Marsa 2019 lasa teo, tao amin’ny Ovec boriboritany fahadimy ny antotan-taratasy maha kandida an-dRaharijaona Jean Fraçois na i “Prezida Hary”.  13 mars 2019

Nanapa-kevitra hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana izy tamin’ity fifidianana solombavambahoaka ity ho famaliana ny antson’ireo olona ivelan’ny antoko politika maniry ny filatsahan-kofidiany.

Tanora mavitrika ny lehilahy, mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ary efa ela niseharana tamin’ny fanampiana ny mponina teny amin’iny Faritra iny tamin’ny alalan’ireo asa sôsialy fanaony. Azo antoka fa hiara-dalana amin’ny Fitondrana mijoro ankehitriny izy raha ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny politika no asiana teny satria ankoatra ny maha filohan’ny Departenamta Tgv azy tao amin’ny boriboritany faha-5 nanomboka tamin’ny taona 2007 nankaty dia vahoaka maro ihany koa no niara-dalana taminy sy notarihiny nampandany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin’iny Boriboritany fahadimy iny.

 Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés