Webradio

DISTRIKAN’I TSARATANANA : Ankivivavy miisa 14 tratran’ny Ambalavelona

Ankizivavy miisa 14 no nitrangan’ny aretina Ambalavelona tao amin’ny sekoly Katolika iray any amin’iny Distrikan’i Tsaratanàna iny.  13 mars 2019

Saika ireo mpianatra ao amin’ny taona faha-7 ka hatramin’ny taona faha-9 avokoa ireto nitrangan’ity aretin’ity ireto. Nivara-hontsana ny iray fianarana sy ireo tompon’ andraikitra rehetra tao amin’ity sekoly ity raha nahita ity tranga ity ka voatery tsy maintsy natsahatra aloha ny fampianarana.

Na izany aza, tsy nojerem-potsiny ireto 14 mirahavavy tra-doza ireto fa nandraisana fepetra avy hatrany. Taorian’ny fampiatsoana ny ray aman-drenin’izy ireo dia nisy ny fiaraha-mivavaka nentina nanalana devoly sy nanadiovana azy ireto ka  ray aman-dreny ara-panahy tao amin’ny sekoly niampy ireo mpanabe tao an-toerana no nanatanteraka izany. Tonga tany an-toerana nijery ifotony ity zava-niseho ity ihany koa ireo manam-pahefana any an-toerana izay notarihin’ny lefitry ny lehiben’ny Faritra sy ny pôlisy ao an-toerana.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés