Webradio

VOASAMBOTRY NY POLISY : Noampangain’ny sary naparitany tamin’ny finday nangalariny izy efa-dahy

Tovolahy miisa 4 indray no voasambotry ny polisin’ny boriboritany fahafito, ny zoma 15 marsa 2019 lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany maraina.  17 mars 2019

Noho ny halatra finday tao anaty taksibe izay nalaza be tamin’ny gazety sy ny tambajotra serasera «  facebook  ». Raha tsiahivina kely ny zava-nisy dia nampiasain’ireo olon-dratsy sy namoahany ny sarin’izy ireo ny kaonty “facebook-ny tompon’ny finday very. Betsaka ny talanjona tamin’izany  ary nazava tamin’ny rehetra nahita maso fa  ireo mpangalatra no nampiasa ny finday. 

Rehefa nahita ny vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra sy ny gazety mahakasika ireo tovolahy nangalatra finday teny amin’ny 67ha ny Polisy dia nandray ny andraikiny avy hatrany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa eny Ankasina no fonenan’ireo olon-dratsy ireo ka tonga dia nidina ifotony teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny boriboritany fahafito. Tratra tao an-tranony tokoa izy efa-dahy ary mbola tratra tao an-tranony ilay finday izay nangalarin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany izy efatra mirahalahy hita tao anatin’ ny tambajotra serasera ireo. 

Avy hatrany dia noentina tany amin’ny kaomisarian’ ny polisy boriboritany fahafito ireo jiolahy ary samy niaiky ny heloka vitany. Manara-maso ny trangana fanendahana,  vaky trano sy ny asan-jiolahy mahery vaika   miseho eto an-drenivohitra hatrany moa ny eo anivon’ny Polisy ho  fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés