Webradio

FIKAROHANA AN’I DEL KELY : Zandary iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana

Araka ny loharanom-baovao voaray farany mahakasika ny tohin’ny  fikarohana fatratra an’i Del kely, jiolahy raindahiny amin’ny fakàna an-keriny dia voalaza fa zandary mpianatr’asa iray atao hoe Rakotomalala Dera Theogène avy ao amin’ny EP3 FIGN Antananarivo, nanao ny fanarahan-dia no maty voatifitra, omaly alatsinainy maraina.  18 mars 2019

Nanomboka tamin’ny zoma lasa teo no efa nifandona  ny zandary sy ireto jiolahy  ary mbola nanohy ny fifanenjehana tamin’ireo olon-dratsy ny zandary  hatry ny omaly saingy  izao tra-pahavoazana izao ny iray tamin’izy ireo. 

Tao amin’ny tanàna atao hoe Antsirasira, Kaominina Betrandraka, Distrikan’i Tsaratanàna no nifampitifitra izy ireo, raikitra ny savorovoro ka tavela teo noho ny fifanjevoana nifanaovan’ny roa tonta ny basy FC miisa 03 sy basy poleta 01 nampiasain’ireo dahalo ary dahalo iray izay isan’ny mpitarika azy ireo koa no lavo. Vaky nandositra kosa ireo jiolahy ambiny ka mora tamin’ny zandary ny namerina ireo omby halatra miisa 45 saika hangalarin’ireto dahalo ireto.  Hatreto aloha dia mbola tafaporitsaka sy tsy hita popoka  ilay tena jiolahy raindahiny atidoha mpikotrika amin’ny fakàna ankeriny ary mbola manohy ny fikarohana hatrany ny mpitandro filaminana.

Raha tsiahivina kely ny zava-niseho  ny faran’ny herinandro lasa teo dia fantatra fa saika hamory  vahoaka manodidina ny   60 teo tao Ambinanitelo Kaominina Keliloha  ity dahalo antsoina hoe “Del kely” ity. Tsy nitazam-potsiny ny zandary fa avy hatrany dia nanara-maso ny zava-niseho ny avy ao amin’ny Borigadin’Andriamena, nohamafisin’ny  Fign nidina ifotony, ny zoma maraina lasa teo.

 Vokany, dahalo miisa dimy no maty teo no ho eo saingy i Del kely mbola tafatsoaka hatrany, tsy hita popoka. Nitohy io omaly io  moa ny fifanenjehana  izay nahalavo ny zandary iray izay. Tsy atao hampihemotra ny loza niseho  ary mbola manohy ny famongorana ireo olon-dratsy ny miaramila any an-toerana amin’izao fotoana izao. Vao mainka hasiana fanavaozana sy paikady vaovao hatrany  aza ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana raha ny tatitra voaray ihany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés