Webradio

TRANGA

« AIDE-CHAUFFEUR » VOAROAKA TAMIN’NY ASANY : Namono ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy

Nandriaka ny ra tao Analan-kininina Hopitaly Be ny maraimben’ny talata 19 marsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora.  19 mars 2019

Tovolahy iray izay manao asa “aide-chauffeur” no nahavanon-doza tao amin’ilay tokantrano niasany ihany. Raha ny angom-baovao, dia nanomboka tamin’ny taom-piotazana letisia tamin’ny taon-dasa no niasany tao amin’io tokantrano io. Tsy avy ao Toamasina kosa izy fa mpila ravinahitra.

Andro vitsy lasa izay, nisy tsy fifanarahana teo aminy sy ny mpampiasa azy ka najanona tamin’ny asany izy. Mandrapahitàny asa kosa dia mbola niantra azy ity fianakaviana kely ka namela azy niara-nipetraka tamin’izy ireo.

Nipetraka tao anatin’ity tovolahy ihany anefa ny lolom-po. Ny marainan’io talata 19 marsa io, tamin’ny fotoana  tsy naha tao an-trano ilay raim-pianakaviana mpampiasa azy, dia novonoiny ho faty ny vady aman-janany. Daroka, tsatok’antsy maranitra, sotro rovitra (fourchette) no nampiasain’ilay tovolahy namonoana azy mianaka.  
Rifatra nandositra izy taorian’izay. 

Nifamonjen’ny mpiara-monina izy mianaka kely. Tonga teny amin’ny hopitaly manara-penitra, tsy tana ny ain’ilay ankizilahikely. Ity farany izay vao 4 taona monja. Mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ny reniny. Ity farany izay re fa sady mitondra vohoka ka tsy mbola hay izay mety hiafarany. Ny irariana dia ny mba hahazoany fahasalamana sy ny zaza ao am-bohoka. Mitohy ihany koa ny fikarohana ilay nahavanon-doza.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés