Webradio

HALATRA LAVANILA MAITSO ANY ANTALAHA : Lehilahy iray nifandrombonan’ny vahoaka nodarohina

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona   any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy iny no  manohy ny asa ratsiny amin’ny resaka halatra lavanila maitso.  24 mars 2019

Na dia efa apetraka aza ny sazy henjana ho an’ ireo izay tratra, na misy aza  lamina ifanarahana dia toa vao mainka mahatonga  ireo sasantsasany minia, hamarotra mora ary mangalatra ireo lavanila  eny an-tanimboly. Betsaka ireo mitaraina ny amin’ny fatiantoka isan-taona , hany ka tsy miandry ny mpitandro filaminana  intsony ny  fokonolona  raha sendra mahatratra olon-dratsy  fa avy hatrany dia mikononkonona fitsaram-bahoaka. 

Araka ny angom-baovao voaray teo am-panoratana lahatsoratra omaly, tovolahy  iray indray no tratran’ny fokonolona nangalatra lavanila mbola manta tao amin’ny Marofinaritra, Kaominina Sahantaha ny sabotsy maraina lasa teo. Tsy niandry ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana intsony ny vahoaka fa nifandrombaka namono  ity farany avokoa. 

Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany, tavany  ity tovolahy ity  ka nandriaka ny rà. Soa ihany fa nisy  ireo olona nampandre ny zandary tao an-toerana izay tonga haingana nandamina ny raharaha ary mandray an-tanana ny fanadihadiana ankehitriny.

Mitady vahaolana maharitra ny mpamboly sy mpandraharaha

 Efa saika isan-taona no nisy olana miverimberina ny sehatry ny fambolena lavanila eto Madagasikara. Vao eny am-potony dia efa foana tsy misy intsony ny vokatra noho ny asa ratsin’ireo jiolahy. Toa lasa fanahiana ny amin’ny fatiantoka ny ankabeazan’ny mpamboly  satria raha ny zava-misy hatramin’izao dia misy ny sasantsasany amin’ireo  tantsaha  no tsy manana lavanila intsony vokatry ny  asan-jiolahy. Eo indrindra no angatahina amin’ny tompon’ andraiki-panjakana  mba hijery akaiky ireo mpandraharaha sy ny mpamboly. Vahaolana amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana amin’ny toerana betsaka mpamboly lavanila, hoy ireo mponina, no tokony hamafisina ny fiambenana, etsy andanin’izay ny isan’ny mpitandro filaminana miasa natao hiaro azy ireo.   

Notsindrian’ireo  solontenan’ny  mpandraharaha hatrany koa moa ny tokony hisian’ny ny lamina apetraky ny mpitondra fanjakana ny amin’ny fandaminana  ny famoahana ny vokatra  ho fisorohana ny  fikorontanana  mety hiseho. 

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés