Webradio

HALATRA « PANNEAUX SOLAIRES » AMBOHIMANARINA : Lehilahy miisa 2 nosamborin’ny Polisy

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahaenina ny alin’ny alakamisy hifoha zoma faha 22 marsa 2019 teny amin’ny faritra «  Rocade  » Ambohimanarina noho ny halatra «  panneaux solaires  » mipetaka amin’ny andrin-jiro.  24 mars 2019

Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana eny amin’ny faritra Ambohimanarina no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no naharay antso avy amin’izy ireo ny polisy mikasika ny fisiana lehilahy vitsivitsy mihaodihaody manodidina ny andrin-jiro iray mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny «  rocade  ». 

Tonga teny ifotony ny polisy ka tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy iray  raha tafatsoaka ny ambiny. Baramina miisa 02 ihany koa no tra-tehaka teny amin’ny toerana nisamborana an’ ilay lehilahy. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany arak’izany ilay voasambotra, ka ity farany no nanoro ny toerana fonenan’ilay namany. Nosamborina tao an-tranony izy ny zoma tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Nosavaina ny tranony ka tamin’izany no nahitana singa maro izay hita eny amin’ireny andrin-jiro ireny. 

Mangataka fiaraha-miasa akaiky amin’ny mponina  ny amin’ny fanomezana loharanom-baovao hatrany ny eo anivon’ny Polisy eto an-drenivohitra, ho fanamorana ny fisamborana ireo olon-dratsy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés