Webradio

NAMAKIA : Nisy nanafika ny « assistant parlementaire » an’ny solombavambahoaka teo aloha

Tsatoka antsy tamin’ny sofiny sy ny lohany ary kapoka vato teo amin’ny tarehiny no nahazo an-dRabevolahy Robert,  “assistant parlementaire” an’ny solombavambahoaka Aliby Bin Soufou, avy amin’ny antoko TGV sady mpiara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny zoma lasa teo.  1er avril 2019

Raha izy avy nanao asa sosialy tamin’ny beantitra amin’ny anaran’ny TGV ka handeha hody iny no efa nisy niandry. Ny 29 marsa teo moa dia nizara vary tamin’ ny beantitra izy ireo tao Namakia. Nisy fisotrosotroana sy korana ihany koa ho an’ireo samy mpikambana ao amin’ny Tgv Mapar, teo amin’ny tokotany malalaky ny Môny Misôma, taorian’ny kabary nataony.  

Tsy nilaza tamin’ny namany izy nandeha nody tamin’ny valo ora alina teo. Izy manokatra vavahady no nisy olona nanafika sy nanatsatoka antsy avy hatrany. Tsy hitany ilay olona namely azy. Tafiditra tao an-tranony ihany izy ka ny fianakaviany no nampandre haingana ny namany sy ny manam-pahefana. Ho azy ireo dia misy ambadika politika ity raharaha ity. 

Tsy zakan’ny olona sasany ny fihetsiketsehana ataon’ny Tgv Mapar, hoy ireo mpiara-dia amin’ity depiote ity sy ireo vahoaka. Tena nahafinaritra ny raiamandreny ao an-tanàna ny hetsika nataony, hoy ireo namany. Efa tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Androva ity naratra ity ary efa tsy atahorana ny ainy.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés