Webradio

FANDRAHARAHANA ARA-BOLA : Hampidirina ao anaty fandaharam-pianarana ny fahaiza-mitantana

Manantanteraka atrikasa mandritra ny dimy andro etsy amin’ny INFP Mahamasina amin’izao fotoana izao ireo mpandraharaha ara-bola manana traikefa manokana amin’ny fanabeazana ara-bola. 1er avril 2019

Efa nisokatra, omaly izany ary mbola hitohy mandritra ity herinandro ity. Tanjona amin’izao atrikasa izao moa ny fampidirana ny fandraharahana ara-bola ho ao anatin’ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara (PSE) raha ny nambaran’ny mpandrindra Nasionalin’ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka avy ao amin’ny Minisiteran’ ny Vola sy ny toekarena. “Tokony manomboka hatramin’ny fahazazan’ny ankizy mihitsy ny fahaizany mitsitsy satria rehefa beazina amin’ny fitsitsiana ny ankizy dia tsy lanilany foana ny vola”, hoy ity farany nanasongadina ny maha zava-dehibe ity tetikasa ity.   

Anisan’ireo laharam-pahamehana ao anatin’ireo paikadim-pirenena ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanomezana io  fandraharahana ara-bola ho an’ny olona rehetra io  ka izany indrindra no niantsoana ity tetikasa ity hoe : “Fandraharahana ara-bola tsy manavaka.” Nohamafisin-dramatoa Tiana Raparany fa efa an-dalana amin’izao ny fifampidinihana eo amin’ny minisitera roa tonta, dia ny minisiteran’ny Vola sy ny toekarena sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fitadiavana fomba ampidirana ny tetikasa ho ao anatin’ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara ka ampirisihina ny mpampianatra hametraka sy hanatsidika sahady ny maha zava-dehibe izany amin’ireo mpianatra rehetra beaziny na any amin’ny kilasy ambaratonga voalohany izany na ny ambaratonga faharoa no ho miakatra.

Raha ny tarehimarika nivoaka tamin’ny taona 2016 mantsy dia mbola ambany dia ambany io tahan’ny fandraharahana ara-bola io satria ny Malagasy mihoatra ny 18 taona dia tsy misy afa- tsy 29 isan-jato  monja no mba misitraka io fandraharahana ara-bola io ary ny 41 isan-jaton’ny Malagasy aza dia tsy mahazo izany mihitsy noho ny tsy fisian’ny politikam-panjakana matanjaka nanome lanja ny fandraharahana ara-bola.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés