Webradio

FIKAMBANANA “MAFAMI” : Miantso fandraisana andraikitra ho an’ny tombontsoam-pirenena

Miantso fifampidinihana ho an’ny tombontsoam-pirenena ny fikambanana Mafami izay ivondronan’ireo mpianatra, mpiasa mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’ Antananarivo miray.  1er avril 2019

Amin’ny maha fikambanana ivondronan’ny manam-pahaizana sy avara-pianarana azy ity dia isan’ny antom-pijoroany ihany koa ny fijerena ny olana sedrain’ny olom-pirenena eny anivon’ny fiarahamonina fa indrindra ireo voafonja.

Raha ny nambaran’izy ireo dia mananika ny 70 isan-jaton’ireo voafonja eto Madagasikara amin’izao no notanana vonjimaika eny am-ponja nefa tsy mbola voatsara akory. Isan’ireo voatana vonjimaika any am-ponja, ohatra, ny filoha mpitantana ity fikambanana ity teo aloha, izay notsipihin’izy ireo fa tsy mbola notsaraina akory. 

Mety haharatsy endrika ny firenena malagasy eo amin’ny fanajana sy fampanajana ny tany tan-dalàna ary indrindra ny fanajana ny zon’olombelona, hoy hatrany ny mpikambana ao amin’ny Mafami  ny fitarazohana mateti-pitranga toy izany ka angatahina ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny mahakasika ireo voafonja vonjimaika tsy mbola nandalo fitsarana ireo.   

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés