Webradio

TRANGA

FIFANDONANA TAMIN’NY DAHALO TAO MAINTIRANO : Namoy ny ainy ny Sergent Chef Tafita Jean de La Croix

Araka ny tohin’ny  loharanom-baovao  mahakasika  ilay asan-dahalo  mahery vaika niseho tany Maintirano dia fantatra fa  nodimandry, omaly maraina, ilay miaramila Sergent Chef naratra mafy nifanehitra tamin’ny dahalo tany Maintirano ny  3 avrily lasa teo iny.  8 avril 2019

Miaramila tao amin’ny  faritr’Andreha  no tena nahafantarana  ity farany  noho izao  izy maty  vokatry ny hetraketrak’ireo jiolahy izao. Nanenjika dahalo  tamin’io andron’ny alarobia io izy ireo  ka miaramila  miisa efa-dahy no  nanampy azy ary  izy no mpitarika.    

Raha tsiahivina dia nitsofoka tamina trano ny dahalo iray nenjehina ary  narahiny, kinanjo maro ireo malaso efa niandry tao amin’ilay trano. Vokany, nifandrimbonan’ireo dahalo nodarohina tao ity Sergent ity vao tafiditra, hany  ka ny  lohany no tena voa mafy tamin’izany. Voatery  nakarina  haingana notsaboina teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana - Antananarivo izy mba hahazo fitsaboana haingana. 

Tamin’ny zoma 5 avrily no  tonga tao  amin’ity hopitaly ity izy saingy izao  nodimandry,  omaly, izao  na dia nanao ny ala nenina rehetra aza ny mpitsabo. Nalefa tao amin’ny tobin’ny Rezimanta Miaramila Voalohany (RM1) Analakely ny nofo mangatsiakany io omaly io  raha ny  tatitra voaray farany.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés