Webradio

FARITRA MAROMARO ETO ANTANANARIVO : Hovatsiana rano fisotro madio

Hisy ny lamina manokana hampidirana rano fisotro madio ho an’ny faritra maromaro eto Antananarivo renivohitra ka ny faritra atsinanana sy andrefana toa an’Ambohimangakely, Ambatomaro, Ambohibe Ilafy, Itaosy, Fenoarivo, Ampitatafika, Ambohimahitsy ary Ambohitrimanjaka no hisitraka izany.  12 avril 2019

Isan’ny nivoitra tao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra ihany koa io tamin’ny alarobia lasa teo.

Lavadrano afaka manome rano hatrany amin’ny 100m3 ho an’ireo faritra ireo no hapetraka izay mbola sokajiana ho isan’ny tetikasa vonjy aina ihany amin’ny fampidiran-drano fisotro madio ho an’ny daholobe. Mbola hisy ihany koa mantsy ny tetikasa goavana izay entina hamatsiana rano azy ireo karakarain’ny fitondram-panjakana, hatsangana ao anatin’ny fotoana fohy ary hisy ny fanomezan-dalana manokana ho an’ireo orinasa voakasik’izany amin’ny fanatanterahana ny asa mba hahatomombana izany ao anatin’ny fotoana fohy. 

Ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana moa no enti-manatanteraka izany ka vola mitentina hatrany amin’ny dimy arivo tapitrisa ariary no holaniana.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés