Webradio

FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO TETO MAHAJANGA : Olona 20 naiditra hopitaly

Olona manodidina ny 20 no narary rehefa avy nihinana sakafo tamin’ny trano fisakafoanana miisa roa teto Mahajanga ny voalohan’ny herinandro teo.   12 avril 2019

Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny avy amin’ny BMH sy ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny varotra ary ny fahasalamana, ny talata teo. Nisy ihany koa fidinana nijery ireo mpamongady entana.  Tsy fantatra mazava ny sakafo nanapoizina fa ahiahiana ho paty na menaka fandrahoana. 

Nalefa hotsirihina any Antananarivo izy ireo ka aorian’izay vao tena ho fantatra. Nakatona vonjimaika aloha ireo trano fisakafoanana ireo. Navoaka ihany koa ny taratasy ahafahan’ny BMH mitsirika sy manara-maso ireo mpivarotra hani-masaka rehefa nakana hevitra tamin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. 

Horaofina ireo sakafo tsy ara-pahasalamana  : ny sakafo masaka tsy misarona ho fiarovana amin’ny loto sy ny vovoka, na amidy amin’ny toerana tsy madio ny manodidina azy. Tranga faharoa amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo ity niseho ity, taorian’ireo valo mianaka nihinana atin-trondro espadon.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés