Webradio

FAMONJENA LANONAM-PANAMBADIANA : Fianakaviana maromaro tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo

Araka ny loharanom-baovao, voaray  ny sabotsy hariva lasa teo dia fianakaviana maromaro no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo  tany Nosivola,  kaominina Ankazondandy Distrikan’i Manjakandriana, tamin’ny famonjena lanonam-panambadiana.   15 avril 2019

Niparitaka  tamin’ny tambajotran-tserasera  “facebook” ny zava-niseho nandritra ny faran’ny herinandro lasa teo.  Raha ny fanazavana hatrany   dia "Mayonnaise" efa vita anaty boaty teny an-tsena  no nafangaro tamin’ny vita tanana tao an-trano. Io no ahiahy  nipetraka satria dia nisy ny filazana fa ny fianakaviana ihany no  nandray  an-tanana ny fanamboarana ny sakafo fa tsy naka mpikarakara. 

Vokatr’izay  dia marobe  ireo olona narary tsy maintsy naiditra  hopitaly, ny sasany tao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ny sasany kosa nalefa teny amin’ny  Hopitaly Befelatanana. Arahina akaiky ny tohin’ny raharaha sy ny fizotry ny fivoaran’ny fahasalaman’ireto  tra-doza ireto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés