Webradio

BY-PASS : Jiolahy saika hanafika firaben’ny BRINKS roa maty voatifitra, telo tafatsoaka

Ny sabotsy antoandro lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora  sy fahefany  tany ho any  dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaangona avy tamin’ny zandarimaria   fa  nisy andiana lehilahy miisa 5 teo ho eo  nanatona sy nanambana basy ary nibosesika hiditra tao anatin’ny firaben’ny orinasa  BRINKS, izay saika handeha hanatitra vola teny amin’ny “Guichet Automatique de Banque” (GAB)  an’ny BNI teny  akaikin’ny Jovenna Amoronakona By-pass.   15 avril 2019

Avy hatrany dia tsinjo sy tazana teny amin’ny manodidina ny sakorokoroka teo amin’ireo jiolahy izay niezaka nibosesika tao anatin’io fiara io sy ny mpitondra izany. Taitra tamin’ny  fihetsika mampanahy  ireo zandary avy ao amin’ny EP3/FIGN, izay teny an-toerana, namita iraka mba hiahy ny fandriam-pahalemana sy hisoroka izay ratsy mety hiseho amin’iny faritra iny.  Tonga dia  nanao tifitra  vary raraka  ireo zandary hiarovana io  kamiaobe mpitondra vola io. 

Tafatsoaka ireo jiolahy telo fa ny roa voatifitra ary namoy ny ainy teo noho eo ihany.  Tamin’izay fotoana izay  dia tavela  teo ny moto izay nampiasain’ireo jiolahy ka nogiazan’ny zandary. Nahitana basy PA iray ihany koa  izay voamarina  fa tsy karazan’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana no sarona teny amin’ny iray tamin’ireo jiolahy lavo ireo, miaraka amin’ny bala maromaro. Tafavory haingana teny an-toerana ireo zandary maromaro avy amin’ny Borigadin’ Ambohimangakely sy ireo avy amin’ny  vondron-tobim-paritr’ Analamanga mpanao ny hetsika “papango”.

Tsy nisy nipika ny vola

 Tsy  niandry ela intsony fa tonga dia niparitaka nikaroka ny toerana nalehan’ity fiarabe  ity ireo zandary. Minitra vitsivitsy taorian’izay  dia niantso ny tompon’andraikitra avy any amin’ny orinasa “BRINKS” fa efa tody soa aman-tsara tany amin’ny foibeny ny fiara izay saika voatafika.  Voalaza tamin’izay fotoana izay fa tsy nisy nipika ny vola nentiny na ariary aza. Tsy nisy nanahy koa ny mpiasany. Voamarina araka izany   fa  tsy nahomby ny fikasan’ireo jiolahy handroba  noho ny hakingan’ireo zandary mpiana-draharaha  nifanehitra tamin’izy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés