Webradio

LALAON’NY NOSY HATAO ATSY MAORISY : Manohana hatrany ny mpandray anjara Malagasy ny governemanta

Ifarimbonan’ny governemanta ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy izay hotanterahina atsy Maorisy ny 19 hatramin’ny 28 jolay ho avy izao.  15 avril 2019

Araka izany, noraisin’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra teny  Ampandrianomby, ny zoma 12 avrily lasa teo ny delegasiona avy amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Mankahery sy manohana hatrany ireo solontenan’i Madagasikara handray anjara amin’io lalaon’ny Nosy io amin’ny maha mpiahy azy ny lehilahy. 

Notoloran’ny Minisitra mpiahy lelavola 6 tapitrisa ariary izy ireo ho fanampiana amin’ny fanomanana hiatrehana ny lalao izay antenaina hitondra vokatra tsara. Velom-pisaorana ny teo anivon’ny federasionan’ny tenisy ambony latabatra notarihin’ny filohany Ambinintsoarivelo Jean Herley. Nankasitraka ny minisitra tamin’ny nanekeny hiahy ity taranja ity sy ny fandraisany azy ireo, ny amin’ny tohana ara-moraly sy ara-materialy indrindra ny ara-bola. 

Manome toky ny filohan’ny federasiona nisolo tena ireo mpilalao, nandray fitenenana fa hanao ny ainy tsy ho zavatra hahazoana vokatra tsara. Ny filohan’ny federasiona no hitarika ny ekipam-pirenena malagasy ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra ahitana mpilalao 12 miampy mpanazatra 2. Tontosaina isaky ny efatra taona ny lalaon’ny Nosy ka andiany fahafolo ity hatao atsy Maorisy ity. Taranja 14 no hifaninanan’ireo firenena fito aty amin’ny faritra Atsimon’ny ranomasimbe Indianina, handray anjara amin’izany lalaon’ny nosy izany, ahitana an’ny Comores, Djibouti, Madagasikara, Maurice, Mayotte, La Réunion ary Seychelles. 

Taorian’ny nandraisany ireo avy ao anivon’ny mpikatroka tenisy ambony latabatra, niatrika ny fifamindrana arakasa nifanaovan’ny Tale jeneralin’ny OMNIS teo aloha, Radarson Rakotobe Voahangy sy ny Tale jeneraly misolo toerana Ranoroarisoa Lalanirina ary ny Tale jeneraly lefitra momba ny fitantanana Ranaivoharilala Bakolinirina teny Mangasoavina ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra notronin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny avy ao amin’ny OMNIS.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés