Webradio

FIRONGATRY NY HERISETRA ARA-NOFO AO SAMBAVA : Miisa efatra ireo zaza voaolana ao anatin’ny roa volana

Raha ny loharanom-baovao  voaray  tato ho ato, miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera, haino aman-jery  maro samihafa dia  misongadina fa  iharan’ny  herisetra  ara-nofo ny zaza amam-behivavy. 19 avril 2019

Faritra maro eto amintsika no lasibatra  amin’ity tranga ity  ary isany nazahoam-baovao  matetika  tamin’izany ny ao  amin’ny  Faritra Sava, tapany Avaratry ny Nosy iny. Araka ny  angom-baovao voaray dia  zaza miisa efatra be izao no  voaolana tao anatin’ny roa volana nifanesy izay. Velon-taraina tanteraka  ny ray aman-dreny niteraka, ireo mpanabe  manoloana ny  zava-misy. 

Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana araka izany mba hitondra vahaolana mahakasika ity raharaha ity.  Raha tsiahivina  ireo herisetra nifanesy tao an-toerana, tovolahy kely iray izay voaporofo fa avy nijery horonantsary mamoafady no nanafina zazavavikely manodidina ny telo taona nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, ny talata teo tao amin’ny Fokontany Antognopahitra, Kaominina Bemanevika Distrikan’i Sambava.  

Afaka adiny roa taty aoriana izay  vao hita  ilay  zaza ka  nahitana ratra tany amin’ny mahavehivavy azy. Naiditra hopitaly ilay zaza niharan’ny herisetra ary mbola manaraka  fitsaboana  ao  Sambava hatramin’izao.  Ankoatra io zaza io dia fantatra ihany koa fa  mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray no tratra  nanolana ny zazavavy mpianany vao 12 taona monja.  Manaraka  izany , ankizivavy vao  9 taona  no naolan’ny anadahin-dreniny tao amin’ny Kaominina Bemanevika ary  koa ilay tovolahy manan-kilema nanolana zaza efa-taona tao amin’ny Fokontany Antsirabe, Kaominina ambonivohitra Sambava.   

Manaporofo   tokoa  ireo rehetra ireo fa  ianjadian’ny herisetra ara-nofo tanteraka ireo zazavavy tsy ampy taona any amin’ny Faritra Sava iny.  Miandry  fandraisan’andraikitra avy amin’ny mpitondra fanjakana ny mponina ao an-toerana  hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés