Webradio

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA NISESY TETO ANTANANARIVO : Miisa 5 indray ireo voasambotra

Olona 05 no voasambotry ny Polisy misahana ny heloka bevava nanomboka ny harivan’ny alatsinainy, faha 15 avrily 2019, tao aorian’ny filazana olona tsy hita, araka ny tatitra avy amina  ramatoa  iray.  19 avril 2019

Tonga nanatona ny Polisy tokoa ity ramatoa ity nanambara ny tsy fahitana ny vadiny nanomboka ny alahady 14 avrily lasa teo ary nametraka fitarainana mikasika izany izy. Rehefa nanao ny fanadihadiana mahakasika io tranga io ny Polisy dia fantatra fa ny iray  tamin’ireo roa  voatifitra teny amin’ny By-pass nandritra ny fanafihana ny fiara mpitondra volan’ny Brinks ny sabotsy, faha 13 avrily ny vadin’io ramatoa voalaza fa tsy hita io. Hatreo dia nitohy ny fikarohana ary nahazo angom-baovao marim-pototra ny Polisy ka nahalalana ny trano sy toeram-piafenan’ireo naman’ity jiolahy voatifitra ity. 

Nandritra ny fanadihadiana dia voaporofo ary nambaran’ireo jiolahy voasambotra ireo, izay efa ananan’ny Polisy antontan-taratasim-panenjehana mbola anaty famotorana, fa anisan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana nisesy farany teto Antananarivo izy ireo. Anisan’izany ilay fanafihana teo amin’ny Galana Anosy, fanafihana sinoa teo Masay, fanafihana trano teny Androhibe, fanafihana ny Mada Trade Ambohi manarina, ny fanafihana teo amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ary indrindra ny fanafihana ny fiaran’ny Brinks teny amin’ny By-Pass, tamin’ ny sabotsy faha 13 avrily lasa teo. 

Mitovy hatrany ny fomba ataon’ireto jiolahy ireto amin’ny fanafihana mitam-piadiana ataon’izy ireo, fa raha mahakasika ilay fanafihana ny fiaran’ny brinks kosa dia nisy ny firaisana tsikombakomban’izy ireo tamina mpiasa roa efa voaroaka tao amin’ny brinks sy Polisy amperin’asa iray  ary mpamily fiara karetsaka iray. Atolotra ny Fitsarana avy hatrany ireto olona ireto raha vao vita ny fanadihadiana mahakasika azy ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés