Webradio

FANDRAISAN’ANDRAIKITRY NY MPAMILY : Mpandeha roa lahy nitondra basy sy fanafody gasy saron’ny zandary

Ny alin’ny alarobia  lasa teo,  tokony  ho tamin’ny 11 ora alina, mpamily taksiborosy mampitohy an’ Antananarivo sy Mahajanga   no niantso rehefa nahazo ny laharam-pindain’ny Zandarimaria ao Maevatanàna raha sendra nisakafo teo fa misy amin’ireo mpandeha roa lahy  ao anaty fiara nentiny  no nandray entana mampiahiahy teny an-dalana.  10 mai 2019

Efa tafahoatra an’i Maevatanàna moa ireo zandary  vao azo ny antso ka tany Berivotra 5/5 no natao ny fisakanana  mba hisavana ny ao anatin’ilay  entana.  Tra -tehaka tamin’izay fotoana  izay  tokoa fa  basimborona “calibre 12 marika  Robuste” sy basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala “Cal 12”  ary  koa  moara, ody gasy marobe  no tratra. Rehefa natao ny fanadihadiana dia olona avy any Nanarena Betroka izy ireo ary milaza handeha hamonjy namana any amin’ny Kaominina  Andranofasika distrika Ambato-Boeny. 

Hita niaraka tamin’ireo ny laharan’ny findain’ilay olona nanafatra izay  toerana  ipetrahan’ireto  farany ao Andranofasika  tamin’io fotoana io.  Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimaria eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka hatreto. Manoloana ny fisorohana tanteraka ny  fiparitahana  fitaovam-piadiana mahery vaika, izany anisan’ny  mampirongatra ny  lafin’ny  tsy  fandriampahalemana  hatramin’izay   dia manentana hatrany ny tsirairay  ny zandarimaria mba hanome vaovao  raha vao misy mampiahiahy hamongorana ny ratsy.  Teto  dia noderaina manokana ny fihetsik’ilay  mpamily  izay sahy nijoro sy nandray andraikitra avy  hatrany  nampandre ny  mpitandro filaminana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés