Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TAO AMBONDROMAMY : Fiara iray nivadibadika, mpandeha miisa 36 naratra mafy

Lozam-piarakodia nahatsiravina no nitranga tao Ambondromamy  lalam-pirenena fahaenina iny, omaly alahady  maraina, tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any.  13 mai 2019

Fiarabe mpitatitra  mampitohy an’Antananarivo sy  Sambava no tra-doza tamin’io fotoana io. Araka ny  tatitra avy tamin’ireo  nahita maso ny zava-niseho tany an-toerana  dia noho ny fandehanana mafy loatra, niampy  fialana lavaka no nampivadibadika ny fiara. Vokany, potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony  io fiara io ary nahatratra 36 eo ho eo ireo naratra mafy. 

Mpandeha miisa 50 izy ireo no  tao anaty fiara. Voalaza  fa avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Sambava ny anton-dia ary tany amin’ny 2 km avaratry ny tanànan’Ambondromamy no niharam-boina izy ireo. Raha ny tatitra   voarainay farany, omaly tolakandro teo am-panoratana ny lahatsoratra dia  tsy nisy ny aina nafoy. Ireo naratra mafy kosa nalefa  avy hatrany notsaboina any Mahajanga rehefa hita fa tsy vita tao amin’ny Hopitalin’ Ambondromamy ny fikarakarana azy ireo.

Tsy mitsahatra manao fanentanana ireo mpampiasa lalana hatrany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana  ny amin’ny  tokony hitandremana, indrindra fa ny fanajana ny hafainganam-pandeha. Matetika dia saika  ny fandehanana mafy loatra no mitera-doza. Raha tsiahivina izao ny  zava-niseho ny faran’ny  herinandro lasa teo iny dia  olona miisa efatra no namoy ny ainy, 38 naratra mafy  noho ny lozam-piarakodia tany amin’ny lalam-pirenena faha-35 iny. Fandehanana mafy avokoa no antony nahatonga izany raha ny angom-baovao  ka mila mitandrina ny rehetra mba hisorohana  ny  loza.

Tatianà R.


LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TAO AMBONDROMAMY
2019-05-14 18:07:51 par Joess wensd

Ary inona ny soso-kevitra fanjakana amin’izany ?

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés