Webradio

KANDIDÀ ANYAH : Namaly ny hetahetan’ny fokonolona ao amin’ny boriboritany fahatelo

Tsy avelan’ ny Kandidà Anyah ho kamboty velon-dreny ireo vahoakan’ ny Boriborintany fahatelo nandefa fitarainana tany aminy,  noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy noho ny tsy fisian’ ny jiro manazava eny amin’ ny elakelan-trano.  14 mai 2019

Manatanteraka ny asa sosialy efa fanaony hatramin’ izay ny kandidà Anyah. Nisy ny famaliana ny hetahetan’ ireo fokonolona ao anatin’ ireo fokontany mandrafitra ny Boriborintany fahatelo, omaly, tetsy amin’ ny Qg fiasany etsy Besarety. Nahazo fitarainana maro tao anatin’ ny kaonty fesibokiny izy araka ny voalazany ka izany no nahatonga azy nanatanteraka ity asa sosialy ity. “Tsy navelako handalo fotsiny ireny fahafatra an-tsoratra ireny. Misy ireo velon-taraina fa maty ny jiro eny anivon’ ny elakelan-trano misy azy ireo”, hoy izy nanazava. 

Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra ka niantsoana ireo solontenam-pokonolona isaky ny Fokontany 34 mandrafitra ny Boriborintany fahatelo. “Hitondra ny anjara birikiko aho amin’ ny fametrahana jiro isaky ny andrin-jiron’ ny Jirama amin’ ny elakelan-trano sy amin’ ny lalana. Jiro miisa 50 isa isaky ny Fokontany no hatolotra, izany hoe  : eo amin’ ny 2000 latsaka no nozaraina  », araka ny voalazany. Mbola hitohy hatrany ny asa. Tsy vao sambany akory ny kandidà laharana fahadimy atolotry ny Vovonana Isika rehetra miaraka amin’ i Andry Rajoelina, no nijery ny sosialim-bahoaka toy izao. 

“Tahaka ny efa natao tao anatin’ ny dimy taona, na maro aza ireo milaza fa hoe tsy hita mihitsy ary tsy naharenesam-peo fa izaho rehefa miasa dia miasa mangina”, araka ny fanazavany hatrany. Mampiavaka ity renim-pianakaviana mitana ny loha lisitry ny Ird ao amin’ ny Boriborintany fahatelo ity ny tsy fitiavana misehoseho rehefa manao asa soa. Ho an’ ny mpanao politika sasany mantsy dia natao fitaovana hisehosehoana izany.

Saingy, araka ny nambaran’ i Kandidà Anyah hatrany, “fotoanan’ ny fampelezan-kevitra izao ka voatery tsy maintsy haseho ny fizaran-javatra tahaka izao satria fampafahantarana no atao”. Fitsipi-dalao mandritry ny fampielezan-kevitra rahateo ny fandresena lahatra ny vahoaka ka rariny loatra raha misy ihany ny hetsika fampahafantarana. Nomarihiny hatrany fa  hitohy hatrany ny asa fanasoavam-bahoaka ao anatin’ny dimy taona manaraka, rehefa lany soa aman-tsara ho solombavambahoaka indray izy ary mbola nohamafisiny nandritra io omaly io fa vonona izy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka ao amin’ny boriboritany fahatelo eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés